nanohitra ny fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna tao Vohilava Mananjary. Efa nanagadrana azy iray volana tany am-ponja io ny 27 septambra-26 oktobra 2017, rehefa notorian’ireo sinoa tamin’izany. Nangataka ny taratasy ara-dalàna mikasika ny fitrandrahana nataon’ny sinoa sy nanohitra ny fitrandrahana tsy ara-dalàna fa indrindra ny famotehana tontolo iainana toy ny renirano, saingy navadika ho zavatra hafa. Nijoro niaro azy kosa ireo firaisamonim-pirenena maro teto amin’ny firenena tamin’izany fotoana,... Voalaza moa fa tojo tsy fahasalamana izy, ary izao nandavo azy izao. “Lehilahy maherifo, nahavita ny adidiny tokoa satria dia niafara tamin’ny fangadrana azy ny ady, tolona nataony noho ny fiarovana ny Tontolo iainana sy ny Tombontsoa iombonana”, hoy ireo mpiara-mikatroka aminy amin’izany sehatra izany. Anisan’ny naneho ny alahelony sy ny fiaraha-miory sy nampahery ny fianankaviany eo anatrehan’ny fahalasany ny Mpikambana eo anivon’ny Tafo Mihaavo manerana ny Nosy sy ny Vatovavy sy Fitovinany.
Nangonin’I Toky R
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny