airtel

Actualités

23-juin-2023

Actualités

Fiarovana ny tontolo iainana Orinasa maromaro no hanentana ireo namany

Sample post image

Amin’ny ankapobeny dia manimba tontolo iainana ny ankamaroan’ny asa hataon’ireo orinasa sasany eto amintsika. Anisan’izany ireo mamoaka rano maloto avy amin’ny akora hampiasaina, setroka mainty…

23-juin-2023

Na izany aza anefa dia efa maro ihany koa ireo tonga saina toy ny Kaloes, orinasa mpamokatra ireo karazana asa tanana Malagasy vita amin’ny rofia, izay efa nanamboatra toerana manokana hivarinan’ny rano maloto avy ao aminy eny Mahitsy. Efa nahita hetsika tsy hiparitahan’ny karbona mety hanimba ny fahasalaman’ny mponina ihany koa izy ireo…. Ho an’ny LABO OI, indray izay mpanamboatra nify dia efa nametraka panneaux solaires izy ireo , hahafahana misitraka ny herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro mba ho azo hampiasaina. Ho an’ny Moringa Wave indray izay manam-pahaizana manokana amin’ny famokarana huile essentielle dia efa miezaka miaro ny tontolo iainana ihany koa izy ireo no sady manome asa ny manodidina. Nanatanteraka atrikasa nahafahan’izy ireo nifanakalo traikefa izy ireo omaly. Toraka izany koa ny fitadiavana paikady hahafahana misarika orinasa namana hafa mba hanaraka ny dian’izy ireo.
Pati
Legende : Nandritra ny atrikasa natrehin’ireo orinasa mpikambana omaly
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap