airtel

Actualités

19-nov-2025

Fiarovana sy fanarenana ny « mangrove » any Sofia

Mitondra vahaolana «

Sample post image

Ma Honkô » amina tanàna 57 ny Bôndy

19-nov-2025

Ao amin’ny Faritra Sofia, ny fanaovana arina avy amin’ny hazo mangrove no iray amin’ireo tsindry mafy indrindra mahazo ny ala manan-danja. Tapahina hazo palétuvier hatao fitaovana fanorenana, fanaka ary indrindra ho arina fandrehitra. Isan’andro, mihoatra ny 150 gony arina no miditra ao Antsohihy, nefa mbola betsaka no mandeha any Mandritsara, Bealanana ary Nosy Be. Araka ny tatitra nasionaly momba ny mangrove tamin’ny 2019, manodidina ny 76.932 ha ny velaran’ny honko na mangrove ao Sofia, manaraka ny 450 km amoron-tsiraka. Saingy tombanana ankehitriny fa efa nihena ho 45.000 – 50.000 ha monja. Mba hanakanana izany fahapotehana izany, manatanteraka ny tetikasa Ma Honkô ny orinasa Bôndy. Asa mifantoka amin’ny famelomana ala mangrove sy ny fampandrosoana ny fiarahamonina. Mihoatra ny 57 tanàna ao amin’ny 10 kaominina sy 3 distrika (Analalava, Antsohihy ary Port Bergé) no tafiditra amin’ny famelomana. Ao Ambodimadiro, Fokontany Ambiky, dia miara-miasa amin’ny Bôndy mihitsy ny mpanao arina. Nanao arina ny vehivavy iray antsoina hoe : Sina Nomenjanahary noho ny fahasahiranana ara-bola. Ny gony arina dia amidy 4.000 – 5.000 ariary any Antsohihy, ka mety hahazo 100.000 – 300.000 ariary isaky ny famokarana, saingy tsy mitohy ary matetika lany amin’ny fandoavana trosa, raha ny fitantarany. Ankehitriny, mandray anjara amin’ny famelomana mangrove izy ary mahazo « indemnité » isan’andro, ka manana vola fanampiny azo antoka kokoa. Arsène, mpanao arina hafa, nilaza fa taloha dia nanapaka hazo velona izy ireo. Ankehitriny kosa, noho ny fiaraha-miasa amin’ny Bôndy, dia hazo maty sisa no ampiasaina. Ho azy, tsy safidy ny asa fa fomba fivelomana. Ny tetikasa dia mikendry ny hanome asa hafa maharitra ho an’ny mponina. Araka ny fanazavan’i Huighens Rock Behanarina, lehiben’ny tetikasa Bôndy ao Sofia, mbola mitohy ny fanadihadiana sy fifampiresahana amin’ny mponina momba ireo asa vaovao. Efa misy anefa ny vokatra azo tsapain-tanana : olona 250 mahery avy amin’ny fiarahamonina no nandray anjara tamin’ny famelomana Mangrove tao Ambiky, ary efa 300 ha mangrove no voavonjy.
Toky R

 

Dans la même rubrique

22-mai-2026

Tsy anaty kitapombolam-panjakana ny fitakiana, tsy zo iny fa « prime » !»

Card image cap
22-mai-2026

Tsy tokony ho be kolikoly sy hamoritra vahoaka ny manamboninahitra »

Card image cap
22-mai-2026

hoy ny Filohan'ny Synad

Card image cap
22-mai-2026

ireo hisakafo ao amin’ny PHO Resto

Card image cap
22-mai-2026

Mirongatra ny halatra tany tsy

Card image cap
21-mai-2026

aza ny fitondràna!»

Card image cap