no notolorana fitaovana ho fiomanana sahady amin’ny fiatrehana ny loza amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Tompon’antoka tamin’izany ny Fikambanana Croix rouge Malagasy sy ny Croix rouge Allemande izay nahitana kirioka hanairana ny olona raha tonga tampoka ny rivo-doza amin’ny alina, ny kiraro boty, ny radio hahafahana mihaino sy manaraka ny vaovao momba ny toetr’andro miampy karazana fanamiana maro samihafa. Ireo Fokontany voasokajy ho tena marefo ahiana amin’ny fihotsahan’ny tany, ny tondra-dranobe ireo notolorana fitaovana ireo raha tsiahivina. Miantso ireo tompon’andraikitra mba hahay hitandro ny hikojakoja ireo fitaovana ireo araka izany Ratsietison Andry Marius, tompon’andraikitra misahana ny loza sy ny tandindon-doza eo anivon’ny Kaominina Antananarivo renivohitra. Nankasitraka ny mpanome izy teo an-danin’izay ary nanome toky fa efa misy ny ekipa voatokana hihetsika raha vantany vao mananontanona ny loza.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana ny fitaovana !
Toerana maro teto Antananarivo no nahitana rotaka vokatry ny fahatezeram-bahoaka
Tsy tomponandraikitra mivantana amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ny minisitry
Hifamotoana eny amin'ny Park Sisaony Ambatofotsy, distrikan’Andramasina,
Nikoropaka nanao Filankevitry ny Minisitra manokana andro sabotsy ny Fanjakana Rajoelina ny 14 jona teo.
Iray tamin’ireo mpandray anjaran’ny SIAE (Salon International des Acteurs Economiques)
Mbola tafiditra anatin’ny Firenena izay mbola sarotra ny fikarakarana taratasy i Madagasikara.