raha ny vinavinan’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro. Haharitra 2 andro an-tanety i Freddy, raha ny vinavina hatrany. Hamafiso tsara daholo ny tafo amin’ny faritra atsinanana,afovoan-tany, Boeny fa matanjaka be ity Freddy ity. Raha ny vinavina dia hiditra eto Madagasikara ny talata 21 febroary izao eo anelanelan’i Toamasina sy Mananjary ity rivodoza mahery vaika manana hafainganam-pandeha 250 km isan’ora ary sokajy faha 4 na “catégorie 4” ity, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray. Hita ho efa nanomboka nanoranorana sy tsy nilamina moa ny toetr’andro io omaly io, raha ny teto an-drenivohitra sy ny manodidina manokana.Ary raha ny vinavina ho an’ny anio zoma dia mbola hisy ny oram-baratra ho an’ny afovoantany ny tolakandro ary hanodidina ny 17 ka hatramin’ny 27°C ny maripana.
J. Mirija
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny