airtel

Actualités

08-août-2023

Actualités

Fidangan’ny vidim-piainana Tsy mahavelona 3 mianaka intsony ny 400.000 Ar isam-bolana

Sample post image

Tena tototry ny fahasahiranana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy.

08-août-2023

Mitsipozipozy raha tsorina na mihinana tapa-kibo vokatry ny fiakaran’ny vidim-piainana ankehitriny izay mila tsy ho zaka intsony. Indray mandeha isan’andro sisa no mihinana ny isan-tokantrano mba hitazoman’aina.
TSY AMPY
Tsy ampy hiainan’ny tokantrano iray intsony ny karama 400.000 Ar isam-bolana ho an’olona 3 mianaka raha araka ny resaka nifanaovana tamina Renim-pianakaviana iray. Vao mainka mafy izany nanomboka tamin’ny volana Jolay no mankaty noho ny fanomanana ny fidiran’ny mpianatra. Raha kely mantsy dia 100.000 Ar ny vola aloha eny anivon’ny sekoly miaraka amin’ny saram-pianarana ho fanavaozana ny fisoratana anarana, ho an’ireo mampiana-janaka eny anivon’ny sekoly tsy miankina. Efa 50.000 Ar latsaka ihany koa ny vidin’ny vary tapa-gony, 50.000 Ar tsy maintsy hapetraka hatao saran-dalan’ny mpiasa isan’andro, 150.000 Ar ny hofantranon’olona raha 50.000 ny vidin-jiro sy ranon’ny JIRAMA. Mbola tsy tafiditra ao anatin’ireo ny laoka hilaofana isan’andro, ny ody am-bavafon’ny mpianatra izay tena mitombobe tokoa rehefa fotoam-pialan-tsasatra tahaka izao, ny menaka, ny savony, ny saram-pitsaboana raha sanatria tojo tsy fahasalamana, ny fitaovan’ny mpianatra….izay marihina fa tapitra niaka-bidy avokoa.
LASA MANAO TROSA
Voatery manao trosa ny ankamaroan’ny tokantrano noho izany. Maka menaka iray litatra isam-bolana eny amin’ireo mpivarotra enta-madinika mba fantatra, ny voamaina toy ny tsaramaso na tsiasisa raha eo ihany koa ny savony hanasan-damba….Mbola ady goavana ihany koa anefa ny miandry amin’ny fanefana ny vidin’izy ireny noho ny fiakaran’ny vidiny isan’andro. Ho an’ny savony manokana ohatra dia efa tafakatra 1000 Ar ireo novidiana 500 Ar teo aloha. Miziriziry ho 10.000 Ar ny iray litatra amin’ny menaka anaty tavoahangy mbola mihidy raha efa ho 5.000 Ar latsaka ny iray kilao amin’ny siramamy. Tsy lazaina intsony ny labozia izay lasa 600 Ar ireo novidiana 500 Ar teo aloha, ny harona sachet plastika izay lasa 300 Ar ireo novidiana 200 Ar teo aloha….Nambaran’ireo mpivarotra sendra anay moa fa hatrany am-potony mihitsy no miakatra ny vidin’entana izay misy fiantraikany amin’izy ireo ihany koa.
MITERAKA KORONTANA
Ankoatra ireo voalaza ireo dia niakatra ihany koa ny vidin’ny saribao izay lasa 40.000 Ar ny iray gony amin’izao amin’ireo karazany mba mateza. Tsy mahazo saribao iray famarana intsony ny 200 Ar fa lasa 500 Ar. Toraka izany ny legioma izay efa tafakatra 1.400 Ar ny iray kapoaka amin’ny tsaramaso lena eny an-tsena. Iray fehezana kely sisa ny anana 500 Ar tsy ampy ho an’olona 3 mianaka mandritra ny tontolo andro intsony. Efa lasa 300 Ar ihany koa ny iray amin’ny voatabia. Izany hena izany moa dia efa 20.000 Ar latsaka avokoa ny iray kilao raha te-hifantina na ho an’ny hen’omby izany na ho an’ny henan-kisoa. Tena sahirana ny Malagasy raha fehezina. Eo an-daniny anefa dia mbola misy olana ihany koa ny asa fitadiavam-bola ho an’ny ankamaroan’ny maro toy ny fikatonan’ny orinasa, ny fandroahana mpivarotra amoron-dalana ….antony mampirongatra ny tsy fandriampahalemana eto amintsika. Tafiditra ao anatin’izany ny adin’ny mpivady noho ny tsy fahampiam-bola ao an-tokantrano ka miteraka disadisa sy fifampikasihan-tanana mihitsy. Hahazoan’ny Fokontany fitarainana maro hatrany izany. Eo ihany koa asa fanendahana sy ny sinto-mahery izay hahafatesana olona mihitsy indraindray. Ny tena loza dia mahazo vahana ihany koa ny fitsaram-bahoaka. Diso marary loatra mantsy ny olona amin’ny fananany noho ny hasarotan’ny fiainana koa raha vantany vao misy mpangalatra tratra na dia ny hamono hahafaty hatrany ny ao an-tsain’ny maro. Tsy mifidy izany na nandroba vola an’hetsiny na nangalatra vomanga iray sobika.
Pati
Legende : Miaka-bidy avokoa ny entana eny an-tsena amin’izao.
Legende : Lasa kolontsain’ny Malagasy tsy fidiny ny fitsaram-bahoaka noho ny hasarotan’ny fiainana.
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap