rahampitso Alakamisy sy afaka rahampitso Zoma. Noho ny fisian’ilay fotoam-pitsarana manetriketrika entina hamaranana tanteraka ny taom-pitsarana taona 2022 sy ny fidirana amin’ny taom-pitsarana 2023 no anton’izany. Fotoam-pitsarana manetriketrika hatrehin’ny filoham-pirenena sy ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tokony indrindra fa ny mpitsara no hotanterahina amin’izany. Nampilaza ny firaiketan-draharahara eo anivon’ny fitsarana araka izany omaly fa afaka mijery ny peta-drindrina eny an-toerana manomboka anio Alarobia 08 Martsa ireo olona manan-draharaha tokony handeha amin’ireo daty roa voalaza etsy ambony ireo. Horaiketina ao anatin’izany peta-drindrina izany mantsy ny fotoana hanemorana ilay fotoam-pitsarana ho an’ireo sampan-draharaha rehetra voakasika. Amin’ny Alatsinainy 13 Martsa ho avy izao araka izany vao hiverina amin’ny laoniny tanteraka ny asa rehetra eo anivon’ny lapan’ny fitsarana ambaratonga voalohany etsy Anosy.
Pati
Mihamafy ny krizy ara-tsosialy amin’ny endriny maro : delestazy, fidangan’ny vidim-piainana,
Nolanian'ireo Solombavambahoaka tetsy amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza omaly
Misy olom-panjakana mitsivalana, manaitra ny PRM sy PM » Henjana ny fifanolanana
An-taonany maro ny olan’ny rano etsy Andravoahangy, saingy tsy tena mbola mitoetra hatramin’izao.
Vehivavy iray 56 taona no sady tsara tarehy fantatra amin’ny anarana hoe :
Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,