amin’ny finday mikasika ny fisian’ireo misoloky ny anaran’ny orinasan’izy ireo hakàna vola amin’ireo mpanjifany. Maro ihany koa, eo anatrehan’izany, ireo fitarainana voaray avy amina mpiasana orinasa samihafa ho niharan’izany fisintonam-bola tsy fantam-pihaviana sy antony tanaty findain’izy ireo izany. Misy ireo milaza ho very hatrany amin’ny 1.000.000 Ariary na mihoatra, raha ny fanadihadiana natao hatrany. Misy amin’ireo orinasa no lasa nanana fahazarana handefa ny tambin-karaman’ireo mpiasany amin’ny alalan’ireny tekinolojia vaovao ireny, indrindra, ireo orinasa madinika nefa amin’izao fotoana izao saingy ilaina hatrany, araka izany, ny fahamailoana. Andrasana koa, araka izany, etsy ankilan’izay ny fandraisana fepetra avy amin’ireo mpandraharaha amin’izay sehatry ny fifandraisan-davitra izay na koa ny fitandroana ny filaminana sy ireo tomponandraiki-panjakàna. Ny resaka fanadihadiana parlemantera mifandraika amin’izany moa efa niaraha-nahalala fa maty momoka sy mampametra-panontaniana hatreto hoe mety mbola mba hitohy ihany ve fa dia tsy mandry fahalemana ihany koa aloha, araka izany, izay fifanakalozam-bola amin’ny finday izay?
Nangonin’i J. Mirija
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny