airtel

Actualités

01-sept-2025

Fifanambanana basy sy fifandonana… Nidoboka eny Tsiafahy ireo

mpitantana ny Balançoire

Sample post image

Tontosa ny fihainoana ara-pitsarana an’i Roland ARDILE François,

01-sept-2025

tompon’ny boîte de nuit BALANÇOIRE, sy ny namany roa lahy: El Ouardi (teratany vahiny, samy nanaovana filazana fikarohana na “avis de recherche”) ary teratany Malagasy iray tsy mbola navoaka anarany. Ny mpitsara mpanao famotorana tao Anosy no nanao ny fanadihadiana tamin’ny alarobia hariva lasa teo. Voalaza fa mafimafy ny vesatra niampangana azy ireo: fikasana hamono olona mitam-piadiana, vono sy ratra niniana natao, vesatra hafa mifandray amin’ny herisetra ankalamanjana. Taorian’ny adim-pamataranandro maromaro ny sabotsy teo, dia nidoboka am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy izy telo lahy ireo, miandry ny fivoaran’ny raharaha. Efa niakatra “instruction” ny dosie, ary hotohizana amin’ny “enquête au fond” amin’ny 16 Septambra 2025 ho avy izao, raha ny tatitra. Araka ny loharanom-baovao hafa, ady samy ngeza, fifandonanan’ny samy manan-katao ity niafara tamin’ny resaka fifamoahana basy ity. Araka ny fikaroham-baovao tsotsotra mantsy, dia olona akaiky ny mpandraharaha matanjaka sy fanta-daza iray eto amin’ny Firenena no mifanolana amin’ireto tompona toeram-pialam-boly sy fisotrosotroana ireto. Asa hanao ahoana ny tohiny ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

07-sept-2026

demokrasia no tena mipetraka ny kolikoly»

Card image cap
07-sept-2026

Tsy mba miova ny tantara fa ny

Card image cap
07-sept-2026

hanamboaran-dalana eto Madagasikara

Card image cap
07-sept-2026

Hametraka ho laharam-pahamehana

Card image cap
07-sept-2026

Voalaza ho antony nahafaty olona tao amin’ny "Bloc opératoire"

Card image cap
07-sept-2026

Sinoa roalahy voatana am-ponja ao Tsiafahy

Card image cap