airtel

Actualités

16-janv-2025

Fifandraisan-davitra

Manjaka hatreny an-tsena ny fifanambakàna

Sample post image

Efa nahazatra ireo mpikirakira fifandraisan-davitra toy ny amin’ny alalan’ny finday hatramin’izay

16-janv-2025

ny heverina ho halatra amin’ny fomba mihaja fanaon’ireo sampam-pifandraisan-davitra na «opérateur téléphonique» amin’ny alalan’ny fakàna sarany ambony amin’ireo antso na fifanakalozam-bola any anaty finday any. Efa nitarainan’ireo mpanjifa malagasy hatramin’izay io ary nahavelom-panontaniana lava mikasika ny niafaran’ny fanadihadiana parlemantera momba izany, indrindra, ny nambara fa fandraisan’andraikitry ny fitondràm-panjakàna amin’ny alalan’ireo sampana miandraikitra izany endrika fanambakàna vahoaka izany. Nandrasana anefa izay fandraisan’andraikitra saingy hatramin’izao dia mbola sahy manao izay danin’ny kibony hatrany ireo mpandraharaha amin’ny fifandraisan-davitra. Tsy nidina intsony ny saran’ny fahafaha-misitraka tambazotra na «connexion», ohatra, fa mbola iny avo 3 heny amin’ny sarany teo aloha iny ihany. Ankehitriny dia hita ho manjaka hatreny an-tsena na irony antsoina hoe «cash point» sy mpivarotra fahana irony mihitsy izay endrika fifanambakana, raha ny fitarainan’ireo mpanjifa voaray, satria dia maro amin’ireo mpivarotra no sahy manondrotra ny vidin’ireo fahana efa voasoratra mazava amin’ireo karatra izao ny tena tokony ho vidiny, izany hoe, raha fahana tokony hisanda 1000 Ariary, ohatra, dia akarin’ireo mpivarotra 1100 Ariary. Ny misoratra 500 Ariary lazaina fa 600 Ariary. Ny 2000 Ariary lazaina fa 2200 Ariary dia toy izany hatrany. Aiza ny tomponandraikitra tokony hanara-maso izany rehetra izany?
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap