airtel

Actualités

09-mars-2021

Actualités

Fifaninanana mpiambina fonja 500 amin’ireo 9000 isa mahery hifaninana no ho raisina

Sample post image

Ny taona 2017-2018 teo dia naato ny fifaninana hidirana ho mpandraharahan’ny fonja noho ny anton’ny fifamafahoana

09-mars-2021

 

 

 

 isan-karazany izay nitohy tamin’ny fahatongavan’ity valanaretina malaza ity, hoy ny talen’ny fandraharahana ny fonja, ny inspektora jeneraly Ranaivo Andriamaroahina Tovonjanahary. Izao izany vao ho tanterahana. Tsy misy dosie vaovao ho raisina intsony, noho izany, fa ireo dosie tamin’ny 2018 sy 2020 ihany no afaka manatanteraka ilay fifaninanana. Izay feno 21 taona ary tsy mihoatra ny 25 taona tamin’izany ihany koa no afaka mifaninana. Miisa 9000 mahery kely ireo nahafeno ny fepetra ka hifaninana ary 500 ireo ho raisina ho mpandraharahan’ny fonja, izany hoe, mpiambina fonja na “agent pénitencier” ao anatin’izany ny 13, 14, 15 martsa izao. Ho entitra ny fanaovana io fifaninanana io ary ho anaty mangarahara mba ialana amin’ny resaka kolikoly sy fanaratsiana rehetra. Mampitandrina ireo hifaninana, ireo mpandraharahan’ny fonja, ireo olom-pantatra rehetra, ny olon-drehetra tsy an-kanavaka aho fa tsy handefitra amin’ny halatra izahay. Ireo manana diplaoma BEPC no miakatra moa no afaka mifaninana ary mirefy 1 metatra sy 60 ny vehivavy raha toa ka 1 metatra sy 65 ny lehilahy, hoy hatrany ny fanamarihana sy ny fanazavany.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap