Hita ho miha zatra ilay miandry fotsiny rahateo ny valalabemandry. Ho avy ny vatsy tsinjo, ny tosika fameno, ny kaly tsinjo, ny tsena mora dia adaboka mihitsy aloha ny fitadiavana samihafa fa maka karne dia milahatra eny amin’ny fokontany na toerana voatondro izarana ireny lazaina fa fitsinjovana ny sosialim-bahoaka ireny. Farany teo moa dia niaraha-nahita ny fandalovan’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, tany Ambatoboeny. Efa niteraka ady hevitra sahady ny 120.000 Ariary nozaraina isan-tokantrano satria hoe tokony ho famonjena na aron’aina ho an’ny any atsimo na “filet de sécurité” izany, raha ny toromariky ny banky iraisampirenena. Ireny anefa moa izany no nanaovan’ny fitondrana azy. Tamin’ny andron’i dadabenay aho, hoy ny mpanara-baovao iray, no notantaraina izany filaharam-bary sy tsaky popy tamin’ny andron’ny filoha Ratsiraka izany ary tsy tena nahazo an-tsaina ny zavatra notantarainy satria efa nanomboka nisakafo tsara ny malagasy tamin’ny andronay. Ankehitriny lasa mahazo an-tsaina ilay izy satria miverina milaha-bary ny vahoaka malagasy, hoy hatrany izy naneho ny heviny nahita ity dian’ny filoham-pirenena tany Ambatoboeny ity. Mandra-pahoviana tokoa aza no mbola ho tezaina ao anatin’izay politikan’ny toloram-potsiny fa tsy mba hamoronana asa maro ahafahany mampandroso ny toekarem-pireneny izay isika ity ?
J. Mirija
Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »
Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,
Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.
Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany
Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.
Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy