airtel

Actualités

14-févr-2025

Fifidianana Filohan’ny Vaomieran’ny UA

Hanao fahagagana i Richard Randriamandranto ?

Sample post image

Hotanterahana any Adis-Abeba ny 15-16 febroary izany hoe : ny sabotsy sy alahady izao ny

14-févr-2025

Fihaonambe isan-taonan’ny Vondrona Afrikanina na UA. Ny filohan’ny Vaomiera dia natokana ho an’ny solontenan’i Afrika Atsinanana amin’ny fe-potoam-piasana manaraka. Fotoana hifidianana ihany koa io hifidianana izay ho Filohan’ny Vaomieran’ny Vondrona Afrikanina. Kandidan’i Madagasikara ny Minisitry ny raharaham-bahiny teo aloha Atoa Richard Randriamandrato, hifaninana amin’ny Praiminisitra Kenianina teo aloha Raila Odinga sy Minisitry ny raharaham-bahiny Djiboutianina teo aloha Mahamoud Ali Youssouf. Tsy maintsy mahazo ny roa ampahatelon’ny vato avy amin’ireo firenena 55 mpikambana vao lany amin’io toerana io, izay miditra fa sarotra sy mitaky fiaraha-miasa amin’ny faritra samihafa sy fifampiraharahana stratejika. Raha hiverenana kely, ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina no nanam-pikasana hanao an’io, ary efa nandresy lahatra an’ireo Filoha Afrikanina maro, saingy tsy neken’ny Fitondrana volomboasary izay efa saika hanohana kandida hafa vao nandrotsaka an’Atoa Richard Randriamandranto. Isan’ny nifantohan’ny fampielezan-kevitr’Atoa Richard Randriamandrato ny finiavany hanokatra ny fahafaha-mivelatra ara-toekaren’i Afrika. Nanome toky fa handray fepetra tsikelikely ho amin’ny fahafahana ara-barotra tanteraka, mba hahazoana fitomboana ara-toekarena maharitra. Araka ny filazan’i Richard Randriamandrato, dia mbola ambany ny varotra ifanaovan’ireo firenena afrikana (12,6 % monja amin’ny totalin’ny fifanakalozana eto amin’ny kaontinanta) ary mbola lavitra raha oharina amin’ny faritra hafa toa an’i Vondrona Eoropeanina. "Ekonomista sy manam-pahaizana ara-bola aho. Raha te hampandroso ny toekarena manerana an’i Afrika, dia tsy maintsy ampitomboina ny varotra amin’ny alalan’ny fanalefahana ny sakana ara-barotra," hoy izy nandritra ny adihevitra nifanaovan’ireo kandidà telo.
SAROTSAROTRA…
Na izany aza, voasokajy ho « favori» ny mpifandrina amintsika. Asa izay fandresen-dahatra statejika tany ambadika tany satria voasokajy ho kandida « discret » na mangingina sy tsy dia misongadina ny kandida Malagasy. Na izany aza, namoaka fanambarana ny SADC tamin’ny alalan’ny Sekretera mpanatanterak’io rafitra io omaly, fa nametra-pialana ny Nosy Maorisy, kandida tokana ny eo anivon’ny SADC ny kandida natolotr’i Madagasikara, ka niantsoana ny firenena mpikambana rehetra hanohana ny kandidan’i Madagasikara. Na izany aza, mbola 16 amin’ny 55 ny Firenena anatin’ny SADC. Izay fahagagana no tsy hay fa hatreto, dia Raila Odinga, izay olo-malaza amin’ny fanoherana tany Kenya no voalaza fa kandidà tena matanjaka noho ny fampielezan-keviny mahery vaika sy ny fanohanan’ireo filoham-panjakana maro, anisan’izany ny filohan’i Kenya, William Ruto. Na izany aza, ny taonany izay efa feno 80 dia mety ho sakana amin’ity fifidianana ity, satria efa in-telo resy tamin’ny fifidianana filoham-pirenena tany Kenya izy. Nilaza fa mety hifantoka amin’ny andraikiny ao amin’ny UA raha lany, nefa tsy nanilika ny mety ho firotsahany hofidiana amin’ny taona 2027. Andrasana ny akony !
Toky R


 

Dans la même rubrique

17-mars-2025

Ny nosy Maorisy dia nitaky ny hamerenana amin’izy ireo ny nosy Chagos

Card image cap
17-mars-2025

Tafintohina amin’ny fanambarana nataon’ny Governemanta frantsay, tamin’ny alalan’ny Minisitra lefitra

Card image cap
17-mars-2025

Ny APIPA na Sampan-draharaha fiarovana amin’ny fiakaran’ny rano eto amin’ny lemak’Antananarivo

Card image cap
17-mars-2025

Anisan’ny fitaovana tena ilaina amin’ny resaka famonjena voina ny « drone ».

Card image cap
17-mars-2025

Nisy ny sabotsy teo, tetsy Ankorondrano, ny fanolorana fitaovam-piasàna ho an’ireo

Card image cap
14-mars-2025

Misy ifandraisany ny firongatry ny tsy fandriampahalemana sy ny fitotongan’ny

Card image cap