airtel

Actualités

07-mars-2023

Actualités

Fifidianana sefo sektera-Ambohibarikely Anosibe Misy manao fitaovana ny anaran’ny prefe

Sample post image

Nirava maina ilay fifidianana sefo sektera tao amin’ny Fokontany Ambohibarikely Anosibe, Boriborintany fahaefatra afak’omaly qlahady.

07-mars-2023

Tsy nanaiky izany mantsy ireo vahoaka miisa 3.000 tokony nandray anjara tamin’ity fifidianana ity. Olona 270 isa monja no tonga tsy ampahafolon’ny mponina akory. Lehilahy iray mitonona ho lehiben’ny fandriampahalemana ao amin’ity Fokontany iray ity izay hangatahin’ny mponina ny hanalana azy no fantatra fa nikarakara io fifidianana io. Nilaza izy fa nahazo alalana avy amin’ny prefektiora. Notsindriany ihany koa fa ny prefet no nilaza taminy fa tsy mahazo milatsaka hofidiana intsony ny sefo sektera teo aloha. Rehefa notakian’ny vahoaka anefa io taratasy io dia fantatra fa tsy misy soratra manamarina eny amin’ny lohany fa avy amin’ny prefektiora marina. Tsy nisy sonian’ny prefe ihany koa izany fa mbola ny sonian’ity lehilahy ity ihany no hita teny amin’ny faran’io taratasy io niaraka tamin’ny fitomboky ny Fokontany. Sady tsy mpiasan’ny Fokontany ao Ambohibarikely anefa ity lehilahy ity no tsy sefo sektera teo aloha ihany koa. Badge voalaza fa nomen’Atoa Alain Ramaroson azy tamin’ny taona 2009 no mbola hampiasainy mandraka ankehitriny izay milaza fa lehiben’ny andrimasom-pokonolona eny an-toerana ny tenany. Manampatra fahefana amin’ireo mponina ao Ambohibarikely Anosibe hatrany araka izany ity lehilahy ity ka velon-taraina avokoa ny isan-tokantrano. Vaovao farany voaray mikasika ity tranga ity moa ny fanangonan-tsonia hataon’ny mponina izay hoaterina eny anivon’ny Ministeran’ny Atitany hanehoana fa tsy ara-dalana io fifidianana natao io. Hangatahin’ireo mponina ihany koa ny fahafahan’ny sefo sektera teo aloha milatsaka hofidiana noho ny asa tsara vitan’ireto farany hatramin’izay.
Pati
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap