notarihin'Atoa Peter Morrison Yeo nandritry ny fitsidihana izany nataon'izy ireo teto Madagasikara, araka ny fampahafantarana navoakan’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny omaly 12 aprily 2023. Noresahana tamin'izany ny fampandrosoana ny maha-olona any amin’ny faritra atsimon'ny Nosy amin'ny alàlan'ny fiaraha-miasa eo amin'ny Etazonia sy ny Firenena Mikambana ary ny Governemanta Malagasy. Anisan'ny nahaliana ny delegasiona ihany koa ny fanomanana ny fifidianana sy ny fiadiana amin'ny fiovaovan’ny toetr’andro izay anisany mitondra fiantraikany betsaka eto Madagasikara. Mikendry ihany koa ny hamantatra ny fiantraikan'ny asan'ny Governemanta amerikana sy ny Firenena Mikambana eto amintsika ary hijerena ny lalam-piaraha-miasa, indrindra eo amin’ny lafiny fampiasam-bola sy ny ady amin’ny fanondranana olona an-tsokosoko ity fihaonana ity, hoy ny fampitam-baovao. Isan’ny tena sarotiny amin’ny resaka demokrasia, ny zo maha olona, ny ady amin’ny kolikoly moa ny Amerikanina ny Firenena Mikambana, ka ankoatra ny fiaraha-miasa amin’izany sehatra izany, dia manara-maso akaiky ny zava-misy eto Madagasikara ihany koa na ara-politika, na toekarena, na sosialy, ny resaka Fanjakana tsara tantana, fa indrindra ny resaka ady amin’ny asa fampihorohoroana,…
Toky R
Simba ny fitaovana, mihena ny angovo, ela vao feno ny vatoaratra, potika ny fihariana.
Zava-doza tsy roa aman-tany no nataon’ny lehilahy iray tany Toamasina izay nahasahy nandatsaka
Lasa fialam-bolin’ireo vahiny tonga tany amin’iny faritra andrefan’ny Nosy iny rehefa faran’ny herinandro tahaka izao ny mitifi-borona.
Teo am-pamaranana ny boky soratako mikasika ny tsiahin'ny taona fitopolo sy ny manodidina azy ary koa ny