airtel

Actualités

07-oct-2021

Actualités

Fifofoana aina manampahefana Nisy saika hamono i Naivo Raholdina

Sample post image

Saika nisy namono ny solombavambahoaka, Naivo Raholdina, ny herinandro lasa teo, raha ny fampitam-baovao voaray.

07-oct-2021

Noho ny fampitam-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo anefa dia ny herinandro ihany dia voasambotra ireo roalahy saika hanao ny asa ratsy. Niakatra fampanaovana tamin’ity herinandro ity izy roalahy ireo ary notanana am-ponja vonjimaika avy hatrany taorian’izay. Mbola mitohy ny fanadihadiana ataon’ny mpitsara famotorana ahafantarana ny tompon’antoka amin’ny fikasana ny famonoana ny filohan’ny vaomieran’ny fananan-tany eny amin’ny antenimieram-pirenena, Naivo raholdina, ity. Mampitandrina ireo izay mbola miriaria mikasa hanipy baomba ao amin’ny tranony ihany koa i Naivo Raholdina raha ny nambarany satria efa mandeha ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Ankoatra ny filoham-pirenena sy minisitra vitsivitsy dia ny depiote Naivo Raholdina ndray izany no manampahefana nisy nifofo ny ainy raha ny vaovao azo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

10-mai-2024

Vahiny manokan’ny Fandaharana Bemiray ao amin’ny Top Radio 102.8 FM i Pr Jonah Ratsimbazafy

Card image cap
10-mai-2024

710 000 dolara na 3 195 000 000Ar eo ny karaman’ny Tale Jeneralin’ny Jirama vaovao Ron Weis,

Card image cap
10-mai-2024

Tsy voaozona ny firenentsika, tsy voaozina ny Malagasy fa tena tsy rariny izao zavatra mahazo antsika izao, ary tena tsy rariny.

Card image cap
10-mai-2024

manao dia maika hamonjy taxi-be. Dia mifanena amina andian'olona mizara taratasy kely, mahalala fomba tsara.

Card image cap
10-mai-2024

Zazavavy kely miisa 2 heverina ho kambana no hita faty tany Amparemahitsy, Mahajanga II

Card image cap
08-mai-2024

ny fifidianana solombavambahoaka isika manomboka anio.

Card image cap