raha ny voarakitra ao anatin’ny fifanarahana, izay haharitra 4 taona. Kajy noraisina amin’ny 1dolara mifanahantsahana amin’ny 4500Ar eo io. Raha ao anatin’ny herintaona izany dia mandray 798 750 000Ar, 66 562 500 na 332 818 500Fmg, ary 2 218 750Ar isan’andro. Henjana izany volabe hanaramantsika Tale Jeneraly vahiny izany, raha oharina amin’ny fari-piainan’ny Malagasy sy ny fahantran’ny Firenena. Iraka ampanaovina io Tale Jeneraly io ny fanarenana ny Jirama, indrindra ny lafiny ara-bola. Somary miteraka tsikera ihany io hoe : mba nikarama ohatrinona ireo Tale Jeneraly Malagasy, ary raha mbola Malagasy no notendrena teo dia handray vola tahaka izany ve ? Atao mahagaga ve raha mety mahita vokatra kokoa ny vazaha ? Eo ihany koa anefa ilay firesaky ny Fanjakana amin’ny fandrakofana herinaratra ho an’ny Malagasy. Hatreto, mbola ny 15 hatramin’ny 20% amin’ny Malagasy no misitraka herinaratra, ary anisan’ny firenena faha-13 manana ampahana vahoaka betsaka indrindra tsy misitraka herinaratra i Madagasikara, raha ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena. Mihazakazaka tamin’ny « branchement mora » ny Fanjakana, ary hakana doka politika. Andaniny, ny famokarana tsy arakaraka izay, hany ka tsy mahaleo ny mpanjifa ny famokarana, ary manampy trotraka ny tsy fahampiana ara-bola ka miafara amin’ny famerana ny fandaniana toy ny any amin’ny solika. Tsy atao mahagaga raha vao mainka mahery vaika ny delestazy. Hahavita fahagagana sy hahavaha olana ary ve ny Tale Jeneraly vaovao Ron Weiss izay misitraka vola tsy toko tsy forohana ? Afaka manantena ve ny Malagasy fa hiova ny tantara ary ho voaarina ny famotehana hatrany amin’ny 2009 noho mankaty ? Matoa aloha izany tonga amin’ny fakana teknisianina vahiny, dia mahatsapa fa tsy mahay mitantana ka namotika fa tsy nandrava. Porofo mivaingana ny faharavan’ny orinasam-panjakana. Efa io iaraha-mahalala io no niafaran’ny Air Madagascar novaina ho Madagascar Airlines. Novaina ho teratany vahiny dia i Thierry de Bailleul ny Tale Jeneraly saingy hatreto tsy misy mamiratra fa vao mainka zara raha misy fiaramanidina ATR iray na roa ary any amin’ny 2026 vao hiverina ny sidina iraisam-pirenena, raha ny tombatombany. Izao indray efa niantso vazaha hitantana ny Jirama ka dia miandry vokatra ihany koa ny Malagasy. Raha mandray ohatra hafa dia efa niantso kabinetra vazaha dia ny Rothschild & Co natao mpanolontsaina ara-bola an’i Madagasikara, natao mba hanatsaratsara ny sarin’i Madagasikara eo anatrehan’ny mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka, nikaroka lalàm-bola sy famatsiam-bola,… Dia nanao ahoana ny vokatra ?
Toky R
Nampanantena ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina, fa handray fepetra
Tsy hay faritana mihitsy hatreto ny hoavin’ny firenena malagasy, raha ny
Mahazo vahana ny fitrandrahana volamena any amin’ny Fokontany Ankaranana sy Amboangivy,
Sakana tsy hahafahan’ny olona iray mandroso eo amin’ny fiainana ny
Niroso tamin’ny Fivoriambe notarihin’ny Birao vaovao voafidy ny 14-15 novambra 2024