airtel

Actualités

08-mai-2024

Mahaiza mifidy, mandraisa lesona!

Miditra amin’ny propagandy na fampielezan-kevitry

Sample post image

ny fifidianana solombavambahoaka isika manomboka anio.

08-mai-2024

Samy hanovokovoka handresy lahatra ny vahoaka, ary efa nisy aza moa ireo nangatra fiaingana, mampiasa mivantana na ankolaka fananam-panjakana sy fahefam-panjakana na volam-panjakana. Betsaka ny endrika fandikan-dalàna, eny fa hatramin’ny fihetsiky ny olona ao anatin’ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana aza ireny iaraha-mahita sy maheno ireny, fa manao kabary an-karihary ho manohana ny kandidam-panjakana. Fifidianana madio inona no ho hita amin’izany ? Fangaraharahana manao ahoana no ho antenaina ? Ny endrika ivelany izay, fa efa niaraha-nahita ihany koa ny tao anatin’ny 5 taona hoe : tena depiote niady ho an’ny tombotsoam-bahoaka sa solombavam-panjakana niaro ny tsy fahombiazana no nisy teto ? Efa ireny nandeha nialohan’ny fotoana ireny ny toromarika an-kolaka ara-politika hoe : izay tianareo na ireo mamadika ahy sy ireo mpanohitra misakana fampandrosoana na ireo mamadika ahy, na ireo miara-dia amiko. Fampandrosoana inona no tena nandeha sy tokony hipaka any am-bilan’ny Malagasy nosakanana teto. Efa ny 95% amin’ny fahefana no azo miainga any amin’ny fokontany ka hatrany amin’ny Filohan’ny Repoblika dia mbola ny mpanohitra no diso sy misakana fandrosoana ve ? Mbola handeha ny fikatsahana maro an’isa amin’ny alalan’ny fividianana vahoaka, kajikajy maloto,… Anjaran’ny rehetra no mifoha amin’ny torimaso sy maka lesona, fa raha mbola hifidy mpananga-tànana tsy handinika sy hiady tetibolam-panjakana mba tena ho an’ny tombotsoan’ny maro an’isa, hiady ny hisian’ny lalàna tena hiarovana ny tombotsoa ara-toekarena, ny fihariana, ny fampianarana, ny fahasalamana,… fa raha mbola izao no mitohy dia asa izay hiafarana eto ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Nitombo 12% tamin’ny volana aprily teo raha oharina ny tamin'ny volana aprily 2023 ny mpizahatany

Card image cap
17-mai-2024

Taorian’ny Minisitry ny filaminana anatiny herinandro latsaka izay nidina teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato,

Card image cap
17-mai-2024

Vehivavy iray tombanana ho 30 taona eo ho eo no hita faty tao Fitroafana Talatamaty,

Card image cap
17-mai-2024

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly 16 mey tetikasa telo vaovao eo amin'ny sehatry ny tontolo iainana,

Card image cap
16-mai-2024

mpitondra mahalala ny filàm-bahoaka sy tena laharampahamehana, vahoaka tsy sakana fa hery,

Card image cap
16-mai-2024

Raikely iray indray no voamarina fa nanolana ny zana-badiny vao 13 taona,

Card image cap