airtel

Actualités

14-déc-2022

Actualités

Fifohana sy fivarotana « héroïne » Dimy mianadahy naiditra am-ponja vonjimaika

Sample post image

Dimy mianadahy no voasambotry ny Polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina ny 09 desambra teo teto an-drenivohitra rehefa nifoka sy nivarotra zava-mahadomelina mahery vaika.

14-déc-2022

Ny telo no tra-tehaka teny Ankasina 67ha. Tsikaritr’ireo Polisy ny fisian’olona mifamezivezy mivoaka sy miditra ao amin’ny tokantrano iray teny amin’ny manodidina izay voalaza fa mpivarotra zava-mahadomelina. Natao avy hatrany ny fanaraha-maso sy ny fitsiriana ilay trano voalaza ka olona telo no hita tao. Vehivavy roa, 22 sy 28 taona ary lehilahy iray 42 taona no tao. Ny iray amin’ireto vehivavy ireto dia sady mifoka héroine no mivarotra efa nandritra ny enim-bolana raha manampy ilay tompony mivarotra kosa ny roa ambiny. Mbola nahitana héroine 22 fonosana moa tao amin’izy ireo nandritra ny fisamborana azy. Ny vehivavy roa 37 sy 41 taona kosa dia voasambotra tetsy amin’ny IVO Antohomadinika tamin’io andro io ihany tokony ho tamin’ny 06 ora hariva. Ny iray amin’izy ireto dia mpivarotra raha mpitsindrona kosa ny iray hafa. Araka ny tsilian-tsofina ren’ireo polisin’ny Stup dia misy olona mamatsy heroine eny amin’io faritra voalaza io. Nidina teny an-toerana avy hatrany izy mirahavavy . Mbola nahatrarana héroine miisa 08 teny amin’izy ireo nandritra ny fisamborana. Ny iray mpivarotra ary ny iray kosa mpanjifa izay mpitsindrona. Mbola nahitana fitaovana fampiasa amin’izany tao amin’izy ireo toy ny mizana fandanjana. Natolotra ny Fampanoavana omaly izy dimy mianadahy ka samy naiditra am-ponja vonjimaika avokoa.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy dimy mianadahy
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Mihamafy ny krizy ara-tsosialy amin’ny endriny maro : delestazy, fidangan’ny vidim-piainana,

Card image cap
22-mai-2025

Nolanian'ireo Solombavambahoaka tetsy amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza omaly

Card image cap
22-mai-2025

Misy olom-panjakana mitsivalana, manaitra ny PRM sy PM » Henjana ny fifanolanana

Card image cap
22-mai-2025

An-taonany maro ny olan’ny rano etsy Andravoahangy, saingy tsy tena mbola mitoetra hatramin’izao.

Card image cap
22-mai-2025

Vehivavy iray 56 taona no sady tsara tarehy fantatra amin’ny anarana hoe :

Card image cap
21-mai-2025

Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,

Card image cap