airtel

Actualités

20-nov-2025

Fihaonambe iraisampirenena momba ny «Géodiversité»

Solontena malagasy ny

Sample post image

Dr Andriamandimby Souleman Ibrahim

20-nov-2025

Isan’ireo solontena malagasy niatrika ny fihaonambe iraisampirenena na «conférence international» momba ny antsoina hoe «Géodiversité» na fijerena ireo fahasamihafàna amin’ireo akora misy eto ambonin’ny tany sy ao Ambany ranomasina ao ny Dr Andriamandimby Souleman Ibrahim, izay manam-pahaizana malagasy momba ny tontolo iainana. Taorian'ny fihaonambe, raha ny fampitàm-baovao voaray, dia nanao fifanolorana fahatsiarovana ny mpandray anjara. Sainam-pirenena, vokatra malagasy sy boky ka boky momba ny «lémurien» na karazan-gidro nosoratan'i Pr Jonah Ratsimbazafy sy ireo mpiara-miasa aminy no nomen’ireo solontena malagasy ny sojabe sy ny oniversite ao Pologne, izay nandray ny fihaonambe, mba hipetraka ho fahatsiarovana. Gaga be ireo Sojabe sy mpianatra ao Pologne rehefa nasehonay azy ireo ny endriky sy ny tantaran'ny sainam-pirenena malagasy, hoy ny Dr Andriamandimby Souleman Ibrahim. Fotsy sy mena nitovy tamin'ny sainantsika fahiny tamin'ny faha mpanjaka ny sainam-pirenen’i Pologne, hoy hatrany ny tenany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

ny miaramila sy tanora handoro toby mpihary herinaratra »

Card image cap
30-avril-2026

Tanora miisa 15 no indray

Card image cap
29-avril-2026

Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"

Card image cap
29-avril-2026

birao vaovao, notsofina rano

Card image cap