airtel

Actualités

06-févr-2026

Fihaonambe Mining Indaba atsy Afrika Atsimo

Anisan’ny mpandray anjara ny QMM Madagascar

Sample post image

Mialoha ny fivoriana Mining Indaba,

06-févr-2026

izay fihaonambe lehibe indrindra momba ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany aty Afrika, namoaka fanambarana ny Chambres des Mines de Madagascar ny 04 febroary, fa ny sehatra fitrandrahana harena an-kibon’ny tany dia manana lanja stratejika amin’ny fanarenana ara-toekarena sy amin’ny fiandrianam-pirenena eto Madagasikara. Toy ny isan-taona, anisan’ny orinasa Malagasy fantatra fa handray anjara amin’ny Indaba Mining moa ny Orinasa QMM (QIT Madagascar Minerals) ny 9–12 Febroary ao amin’ny CTICC, Cape Town. Manangona olona mihoatra ny 10 500 avy amin’ny sehatra samihafa: 1 450 mpitantana orinasa fitrandrahana, 1 300 mpampiasa vola maneran-tany, ary 1 400 solontenan’ny governemanta. Ny lohahevitra amin’ity taona ity dia “Stronger Together: Progress Through Partnerships”, izay manasongadina ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-miasa eo amin’ny governemanta, orinasa, mpampiasa vola ary fiarahamonina. Mifanohy amin’izay, nankasitraka ny fankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanesorana ny fangejana na “gel” amin’ny famoahana fahazoan-dalana fitrandrahana (afa-tsy ny volamena), izay dingana lehibe ho fanavaozana ny ny fientanana nasionaly eo amin’io sehatra io. Namafisina fa tratejika amin’ny toekarena ny harena an-kibon’ny tany satria: ny fanondranana vokatra avy amin’ity sehatra ity dia mahatratra 49% amin’ny fanondranana rehetra tamin’ny taona 2023, ary manome 4,6% amin’ny PIB na harin-karena faobe. Tetikasa lehibe efatra monja aza no eo amin’ny famokarana ara-indostrialy, dia nahatratra 4% amin’ny fanondranana sy manodidina ny 30% amin’ny vola miditra avy amin’ny fanondranana tamin’ny 2023. Manampy amin’ny fitomboan’ny vola vahiny, famatsiam-bola ho an’ny daholobe sy sehatra sosialy ary fampifandanjana ny faritra izany. Ny fitrandrahana lehibe dia mitondra fampiasam-bola maharitra, asa ara-dalàna, fotodrafitrasa ary fiantraikany ara-paritra mivelatra. Notsipihina ny maha zava-dehibe ny fiandrianam-pirenena amin’ny fitrandrahana sy ny andraikitry ny fanjakana amin’ny fanaraha-maso sy ny fifehezana ny sehatra ; ny filàna mangarahara sy fandraisana andraikitra ara-tsosialy amin’ny tetikasa fitrandrahana ; fanokafana indray ny fizotry ny famoahana fahazoan-dalana ataon’ny BCMM (Bureau du Cadastre Minier de Madagascar) ho famantarana ho an’ny mpampiasa vola,... Mialoha ny Mining Indaba, miantso ny Chambre des mines mba hisian’ny fanamafisana ny fitantanana, fanokafana fifampiresahana tompon’andraikitra ary fanamafisana ny fiaraha-miasa mahomby samy mahazo tombony eo amin’ny Fanjakana sy ny orinasa mpitrandraka, mba tena hisongadinan’ny lanjan’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny anatin’ny fifaninana mahomby amin’ny Firenena,…
Toky R


 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap