amin’ny fitsidihana ofisialy any Moscou sy Paris raha ny filazan'ny fampahalalam-baovao vahiny Africa Intelligence, saingy tsy mbola misy filazana ofisialy avy amin'ny Fiadidian'ny fanavaozana ny Repoblika. Nambara fa mametraka sehatra vaovao eo amin’ny fifandraisana ara diplomatika sy ara toekarena. Nambaran’io fampahalalam-baovao io, fa raha mbola nisy resaka momba ny mety ho fifampidinihana amin’i Vladimir Poutine any Moscou, dia i Frantsa no voafidy ho toerana stratejika hihaonana voalohany. Io fampahalalam-baovao ihany avy eo no namoaka indray fa nisafidy ny hihaona amin’i Vladmir Poutine aloha ny Filoham-panjakana vao hihaona amin’i Emmanuel Macron. Ny fihaonana amin’i Emmanuel Macron, filohan’i Frantsa, dia kasaina hatao amin’ny 24 sy 25 Febroary, ary mety hifindra amin’ny fiandohan’ny volana martsa raha misy fanovana. Efa nilaza ny Filoham-panjakana sy ny Fitondram-panjakana fa mametraka diplaomasia misokatra amin'ny fiaraha-miasa Iraisam-pirenena madio sy tsy misy tsindry i Madagasikara. Eo amin’ny sehatra iraisam pirenena, samy miezaka mametraka ny toerany ireo firenenn-dehibe, ary tsy azo hamaivanina ny tsio-drivotra politika sy jeopolitika misy eto ankehitriny. Ny Rosianina efa nampiditra mpampiofana miaramila sy fitaovana teto Madagasikara izay nandefa delegasionina mafonja miisa 44 niaraka tamin’ny fitaovam-pitaovam-piadiana raitra, ary miezaka mampiseho sary fa mpiara-miombon'antoka ara-tafika sy ara-stratejika amintsika. Ny Frantsay kosa nandefa miaramila, miezaka mampiseho sary sy mametraka ny tenany ho mpiara miombon’antoka amin’ny alalan’ny toekarena sy fanampiana maha olona. Ny fanampiana naterina tany Toamasina taorian’ny tafiotra Gezani dia ohatra iray amin’ny paikady vaovao entin’i Paris hanamafisana ny fisiany. Somary nanaitra kosa ny filazan'ny Filohan'ny Antenimierampirenena Siteny Randrianasoloniaiko omaly, fa betsaka noho ny miaramila Rosianina ny miaramila Frantsay tonga eto Madagasikara amin'izao. Nambarany koa fa tsy nahazo alalana ireo miaramila Frantsay maro miparitaka manerana ny Nosy ireo. Ity farany izay voalaza fa akaiky kokoa amin'ny Rosianina, saingy vao avy noraisina tany Paris tao amin'ny Lapan'i Elysées.
SEHATRA ARA-TOEKARENA SY POLITIKA
Ny fitsidihana any Frantsa dia tsy voafetra amin’ny resaka politika ihany fa mifandray amin’ny toekarena. Voalaza fa ny Medef international sy ny Groupement des entreprises de Madagascar (GEM) dia miomana amin’ny fivoriana iombonana, mandinika tetikasa 29 amin’ny sehatra maro: angovo, fotodrafitrasa, nomerika ary fizahantany. Ny tondrozotra mitondra ny lohateny “Vers une nouvelle alliance stratégique des entreprises malgaches et françaises” dia mikendry hanamafy ny fiaraha miasa sy ny fampiasam bola. Eo amin’ny sehatra politika, raha miantso sori-dalana mazava ny SADC (Southern African Development Community), ary niantso hamoahana drafitra mazava ny filohan’i Afrika Atsimo, Cyril Ramaphosa, izay anatin'ny BRICS ahitana an'i Russie, Brésil, Inde, Chine, dia manandrana mitazona politika pragmatika, manokatra varavarana ho an’ny Fitondrana malagasy, tahaka ny nataony tamin’ny mpitarika tetezamita hafa avy any Gabon sy Guinée ny Frantsay. NY
TOMBOTSOAM-PIRENENA NO AMBONY INDRINDRA....
Ny fitsidihan’ny Kolonely Randrianirina any any amin’ireo firenen-dehibe ireo dia mampiseho sary ara geopolitika eo amin’i Frantsa sy Rosia aty amin’ny Ranomasimbe Indianina. Raha mitady hanamafy ny fisiany i Moscou amin’ny alalan’ny miaramila sy fiaraha-miasa ara-tafika, dia manamafy toerana ho mpiara miombon’antoka ara toekarena sy maha olona i Paris. Ho an’i Madagasikara, fotoana izao hanamafisana ny toerany eo amin’ny sehatra iraisam pirenena, ary tsy ny hoe miaraka amin'izatsy na izaroa no zava-dehibe fa ny fahaizana mametraka ny tombotsoam-pirenena amin'ny alalan'ny "win-win" na diplaomasia sy fiaraha-miasa samy mahazo tombony ara-drariny. Mila fahamailoana sao ho voafandrika ao anatin’ny fifanandrinana stratejika?
Toky R
Miantso vonjy amin’ny fitondràna ireo mponina sy mpiaro zon’olombelona