airtel

Actualités

08-mai-2024

Fihetsika mamoafady tamin’ny zaza tsy ampy taona

Mpanao politika iray nidoboka am-ponja

Sample post image

Niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera omaly ny horonantsary sy resaka naneho raim-pianankaviana antsoina hoe R….

08-mai-2024

voalaza fa nanodinkondina zaza tsy ampy taona. Voatonontonona ho mpikambana sy mpitarika mihitsy ao anatin’ny T…, fikambanana mpiara-dia amin’ny fitondram-panjakana ary manana kandida ao amin’ny Boriborintany faha-4 izy io. Raha ny vaovao azo, dia nandalo fampanoavana omaly tolakandro ity raim-pianankaviana ity, ary nidoboka am-ponja vonjimaika, ka amin’ny 7 jona izao no hotsaraina. Lehilahy manodidina ny 50 taona ity nidoboka ity, ary hita tsara ao anatin’ny horonantsary izy manao fihetsika mamoafady amina zaza tsy ampy taona amin’ny alalan’ny safosafo samihafa, izay ao anaty birao raha ny fanombanana ny horonantsary. Misy tambazana vola, ary misy terena mivantana hanoroka sy hanafosafo azy, hoy ny fanamarihana hafa nandeha. Toetra amam-pihetsika mamoafady izay tombanana ho efa fanao matetika, ary amin’olona samihafa. Henjana ny lalàna manodidina an’io, ary mety ho tafiditra ao anatin’ny resaka fikasana hanolana izay mety ho tonga hatrany amin’ny famosirana. Vao nohavaozina rahateo ireo andininy mikasika ny fanolanana ao amin’ny andininy faha-332 sy 333 amin’ny fehezan-dalàna famaizana, nohamafisina ny sazy, ary tsy afa-bela na vao fikasana aza hanolana aza. Andrasana ny tohin’ity raharaha ity. Arakaraka ny sokajin-taona ihany koa moa ny famerana sy famaritana ny sazy. Fanontaniana azo apetraka ihany koa etsy andaniny ny hoe : manao ahoana ny lalàna mikasika ireo ankizivavikely na tovovavy mbola tsy ampy taona izay maro no mety efa miroboka any anaty fivarotan-tena ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

16-janv-2025

Goavana ny fanarenana miandry, raha ny toekarem-pirenena eto Madagasikara no asiana resaka.

Card image cap
16-janv-2025

Nipoitra indray ny Kolonely Charles Andrianasoavina izay isan’ny nanamarika ny tantara tamin’ny 2009

Card image cap
16-janv-2025

Nanomboka ny alatsinainy 13 ka nifarana ny alarobia 15 janoary 2025 tao amin’ny trano fivorian’ny Minisiteran’ny

Card image cap
15-janv-2025

Samy velom-panontaniana ny mpanara-baovao tato anatin’ny herinandro izay manoloana ireo

Card image cap
15-janv-2025

Niparitaka nanomboka omaly ny didy fampikarohana an’i Bekasy Johnfrince. Karohin'ny polisin'ny

Card image cap
15-janv-2025

Raim-pianakaviana iray antsoina hoe Hery na Iaban’i Sarah no namoy ny ainy tao amin'ny Kaominina Ranotsara

Card image cap