malagasy, Andry Rajoelina, sy ny filoham-pirenena kaomorianina, Azali Assoumani, amin’izao fotoana izao ity fihetsiketsehana mikasika ny vahaolan’ny delestazy sy tsy fisian-drano eto amin’ny firenena ity. Hatramin’ny omaly no hita miodinkodina etsy sy eroa miaraka amin’ny minisitry ny angovo, Olivier Jean Baptiste, ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, saingy hatramin’izao dia io tsy mbola ahitana vahaolana maharitra io foana aloha ny toe-draharaha. Tsy ny raharaha volamena 50kg hita tatsy kaomoro ny taona 2021 ihany rahateo no lasa nifoha sy voaresaka fa rehefa nety ho raharaha volamena very an-javony rehetra teto amin’ity firenena ity, raha tsy hilaza afa-tsy ny hoe 73,5kg sy ilay tanatina biraona minisitra nodimbiasana praiminisitra nefa nivadika vy. Akaiky rahateo moa ny fifidianana ka zary efa lasa hita ho politika maloto nalaza ny famongarana sy fomoronana mihitsy aza dosie momba ireo afera malotona mpanao politika vaventy, na avy amin’ny fitondrana io na ho an’ireo ivelan’ny fitondrana toy ny mpanohitra sasany. Eo dia samy mifanasa vangy sy mifanaratsy eo. Hamorona aza atao, hoy ny fomba fiteny tato ho ato izay. Ny raharaha volamena no voaresaka androany. Ny raharaha andramena no tany amin’ny 14 na 15 taona lasa. Efa nandalo teo daholo koa anefa ny raharaha voamboana, ny vola iray baoritra, «bonbon sucette», ny «écran plat», ny sokatra sy ny gidro ary ny tariny rehetra. Sarotra ho an’ny tantara ny hamafa izany rehetra izany na dia heverina ho henatra ho an’ny firenena aza.
J. Mirija
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny