voasaringotra tamin’ny raharaha fihetsipketsehana teny Ambohipo ny 21 oktobra lasa teo. Raha hiverenana, nisy ny fihetsiketsahana nataon’ny olona teny an-toerana naneho hatezerana noho ny olan’ny jiro sy rano izay tena nampikolay vahoaka. Nisy olona 10 nosamborina taorian’izay, ary nisy 4 nidoboka am-ponja vonjimaika. Nandeha ny fampitandremana samihafa nataon’ny mpitandro ny filaminana, nivoaka ny didy avy amin’ny Prefektioran’Antananarivo tamin’ny alalan’ny «réquisition» hihetsehan’ny mpitandro ny filaminana avy hatrany raha vao misy fihetsiketsehana,… Dia io ihany koa fa milatsaka ny didy ho an’ireo voasambotra tamin’ny fihetsiketsehana, ka fanakorontanana filaminam-bahoaka, famotehana fananana iombonana, fanimbana fananan’olon-tsotra, faniratsirana mpitandro filaminana,… Izay aloha izany ny didy mikasika iny raharaha iny, izay mety mbola hisy ny fampiakarana. Voapanga ireo olona nanao fihetsiketsehana fa mba manao ahoana kosa ny fananam-bahoaka potika sy rava noho ny delestazy ? Ny fihariana maro samihafa nitotongana ? Inona no antoka sy porofo mitombona fa tsy hiverina intsony ny olana samihafa mikasika ny delestazy ? Ny zava-misy ankehitriny aloha, dia manomboka miharihary fa mikatso ny vahaolana vonjy tavanandro hoentina hampiodinana ny Jirama amin’ny alalan’ny famoahana volabe tsy toko tsy forohana izay asa na manomboka kely ny eo am-pelantanana na ahoana ?
Toky R
Ny injeniera malagasy, Mamitina Rolando Randriamanarivo no nahazo ny loka tamin’ny
Anisan'ireo mpandray anjara ao amin'ny foara iraisam-pirenena eto Madagasikara
Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
Zazalahy kely dongadonga no sady salama tsara vao 5 volana monja no fantatra fa