airtel

Actualités

13-mai-2026

FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA

Mangataka fihaonana tsy misy

Sample post image

elanelana amin'ny Filohan'ny fanavaozana

13-mai-2026

Mbola tsy nivaly hatreto ny fangatahan'ireo Ben'ny tanana manerana ny Nosy maniry ny hihaona mivantana amin'ny Filohan'ny fanavaozana ny Kolonely Randrianirina Mickaël. Fihaonana tsy misy elanelana no tena ilaina hoy Rado Ramparaoelina, Filohan'ny fikambanana misy azy ireo hahafahana mamboraka sy manazava ireo tena maharary ny Ben'ny sy ny olana sedrainy eny ifotony. Anisan'izany ny resaka subvention na ny fanampiana omen'ny Fitondram-panjakana izay tsy tokony hisy fanavahana. Mbola mijanona ho 400 Ar isan'olona monja mantsy izany, izay tena tsy mifanaraka amin'ny vidim-piaînana intsony ho an'ireo kaominîna mañana olona latsaky ny 5000 isa. Miezaka ny Ben'ny tanana rehetra hoy Rado Ramparaoelina mitady famatsiam-bola avy any ivelany hitsinjovana sy hanatsarana ny fiainan'ireo mponina ao aminy saingy na izany aza mila ny tolo-tanana avy amin'ny Fitondram-panjakana foana mba hahafahana tena manatanteraka ireo karazana asa fampandrosoana marina.
Pati

Légende : Rado Ramparaoelina no Filohan'ny fikambanan'ny Ben'ny tanana manerana ny Nosy !
 

Dans la même rubrique

27-juil-2026

Nangatahana ho atao amin’ny teny malagasy

Card image cap
27-juil-2026

Nodimandry ny Kolonely Botomanovatsara

Card image cap
27-juil-2026

Nisy fipoahana tao Ambohimanambola, hoy ny Jirama

Card image cap
27-juil-2026

Miroso amin'ny fanavaozana lehibe

Card image cap
27-juil-2026

Karohan'ny Polisim-pirenena eo

Card image cap
27-juil-2026

Mitohy hatrany ny halatra taribin'ny

Card image cap