airtel

Actualités

31-janv-2024

Fikambanana AMA

“Tsy voatery hiandry mpanao politika vao afaka mampandroso.”

Sample post image

5 volana teo izay no nitsanganan’ny fikambana AMA na Antehiroka

31-janv-2024

mamiratra eny anivon’ireo fokontany miisa 9 eny Antehiroka. Vitany, hoy ny fanazavan’i Rasolofo Fulgence, Sekretera jeneralin’ny AMA, ny asa sosialy tsy vitan’ireo antoko politika hatramin’izay teto. Isany ny teny Andramiarana, ny tety amin’ny lafiny avaratry ny faritra Antsakambahiny sy ny manodidina. Tanjona ny hamaha ny olana ara-tsosialy nianjady tamin’ny vahoakan’Antehiroka nandritr’izay taona maromaro izay. Tarigetra ny hoe “Mandehàna, mitsangàna, mihazavà!”. Eo ny olana ara-tsosialy, ny tsy fananana asa, ny ara-panahy izay iarahanay miasa amin’ireo antokom-pinoana samihafa. Nierana tamin’ny mponina mihitsy ny hoe andao isika hanova mba hahafahana mampandroso ilay mponina, indrindra, ny lafiny ara-tsosialy. Tsy voavahan’ny mpitondra nifanesy izay olana ara-tsosialy izay. Tsy mahavita mamafa lalana ve ny fanjakana? Tsy mahavita manome asa ho an’ny tanora na dia ampahany ihany aza ve? Sahirana, ohatra, ny vahoaka eny Andramiarana Morondava na koa ny eny Andramiarana Andranoro. Be dia be ny olana ety ary isany koa ny ady amin’ny fifohan’ny tanora zava-maha domelina na fisotroana zava-pisotro misy alikaola be loatra. Ny hetsika akaiky indrindra moa izao dia ny fanadiovana ny tanàna ato amin’ireo fokontany miisa 9 ato Antehiroka. Eo koa ny hetsiky ny 8 martsa. Ny tena akaiky indrindra dia ny fampiofanana maimaimpoana manomboka amin’ny 5 febroary izao mikasika ny atao hoe “crochet” sy “valet”, ny fampiantranoana, ny zezika kankana satria tantsaha ny 80%n’ny mponina eto. 250 isa na 300 eo ho eo no hisitraka azy io aloha amin’izao voalohany izao ary laharam-pahamehana ety am-piandohana ireo efa mpikambana satria efa an’arivo isa izy ireo. Tsy voatery hiandry mpanao politika vao afaka mampandroso, hoy hatrany ny AMA. Nomarihin’ny filohan’ny fikambanana, Itoky Rakotobe, fa manana ny foibeny miorina any Antsirabe, efa 12 taona izao, ny AMA mamiratra manerana ny nosy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Nitombo 12% tamin’ny volana aprily teo raha oharina ny tamin'ny volana aprily 2023 ny mpizahatany

Card image cap
17-mai-2024

Taorian’ny Minisitry ny filaminana anatiny herinandro latsaka izay nidina teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato,

Card image cap
17-mai-2024

Vehivavy iray tombanana ho 30 taona eo ho eo no hita faty tao Fitroafana Talatamaty,

Card image cap
17-mai-2024

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly 16 mey tetikasa telo vaovao eo amin'ny sehatry ny tontolo iainana,

Card image cap
16-mai-2024

mpitondra mahalala ny filàm-bahoaka sy tena laharampahamehana, vahoaka tsy sakana fa hery,

Card image cap
16-mai-2024

Raikely iray indray no voamarina fa nanolana ny zana-badiny vao 13 taona,

Card image cap