airtel

Actualités

16-janv-2025

Fikambanana Mii’zara

«Tena mbola mila ezaka be ny fanovàna ny toetsaintsika malagasy!»

Sample post image

Hita ho tena sahirana ny vahoaka malagasy, raha ny mikasika ny sosialim-bahoaka tamin’iny taona 2024 iny,

16-janv-2025

izay mbola mitohy hatramin’izao, noho ny fiakaran’ny vidim-piainana, hoy ny avy eo anivon’ny fikambanana ara-tsosialy Mii’zara. Eo koa, hoy ny filohan’ny fikambanana, Fafah Rarivo, ireo fahasahiranana isan-tsokajiny toy ny eo amin’ny sehatry ny asa sy ny fiarahamonina rehetra any. Nanomboka ny taona 1970 tany ho any no nahitàna fiakarana ny vidim-piainana teto Madagasikara, hoy izy. Tsy mitsahatra ny miakatra izany hatramin’izao. Maro ireo zaza tsy miditra an-tsekoly intsony. Maro ny mpirenireny sy ny mpangalatra. Ho entin’ny tsy fananana ny olona dia lasa manita-kevitra amin’izany. Maro amin’ireo sahirana ireo koa anefa no maro anaka satria miteraka foana. Isan’ny fototra manahirana ny olona izany rehetra izany. Efa sahirana mbola manampy ny isan-jaza ihany nefa izay ihany koa no mampitombo ny fahasahiranan’izy ireo. Ny asa nefa tsy misy dia lasa maro koa vokatr’izay ireo zaza tsy miditra an-tsekoly sy mirenireny. Arakarak’ilay fahasahiranana sy tsy fisian’asa izay koa anefa no mahagaga fa mampirona bebe kokoa antsika malagasy amin’ny fandaniana sy lanonana. Lasa miloka, lasa mamolava, mifanindrinindry, ohatra, dia mandany vola amin-javatra tsy misy dikany dia lasa sahirana ho azy. Tena mbola mila ezaka be ny fanovàna ny toetsaintsika malagasy! Hita ihany koa fa kamo misasatra isika malagasy. Izay ahitana ny ho amin’ny anio ihany aloha no ao an-tsain’ny ankamaroany fa tsy hahasaina ny hoe ahoana ny hahavitàna taona izany izy. Isan’ny vahaolana ny hoe fampianarana sy fanentanana amin’ny fandrindram-piterahana eny anivon’ny fiarahamonina sy ny tontolo misy ireo sahirana ireny. Fampirisihana amin’ny fiverenana any amin’ny tontolo ambanivohitra koa mba hamokatra, hamboly sy hiompy fa tsy hijanona eto Antananarivo satria vao mainka mameno ireo olona sahirana ireo ny fiakarany aty an-drenivohitra. Ilaina ny fanampiana ny tantsaha mba hamokatra, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-juin-2025

Toerana maro teto Antananarivo no nahitana rotaka vokatry ny fahatezeram-bahoaka

Card image cap
16-juin-2025

Tsy tomponandraikitra mivantana amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ny minisitry

Card image cap
16-juin-2025

Hifamotoana eny amin'ny Park Sisaony Ambatofotsy, distrikan’Andramasina,

Card image cap
16-juin-2025

Nikoropaka nanao Filankevitry ny Minisitra manokana andro sabotsy ny Fanjakana Rajoelina ny 14 jona teo.

Card image cap
16-juin-2025

Iray tamin’ireo mpandray anjaran’ny SIAE (Salon International des Acteurs Economiques)

Card image cap
16-juin-2025

Mbola tafiditra anatin’ny Firenena izay mbola sarotra ny fikarakarana taratasy i Madagasikara.

Card image cap