airtel

Actualités

17-nov-2023

Fikambanan’ny Grand Sud-Est

« Tsy ekenay ny tsy rariny atao aminay »

Sample post image

Rehefa misy mahazo ireo olony, dia maintsy zarainy amin’ireo Raiamandreny sy havany ao anatin’ny Sud Est,

17-nov-2023

ka na iza na izay zanaky ny Grand Sud Est iharan’ny tsy rariny, dia mijoro izahay, hoy izy ireo ny alarobia teo. Nanao « alerte nationale » na fanairana nasionaly teo anatrehan’ny raharaha fisamborana ny kandida Paraina Auguste, ary nofonana izany rehefa nivoaka ity farany, mba hamerenana amin’ny laoniny ny eritreritry ny tsirairay, fa tsy misy mpifahavalo eto, fa ny fahavalo iombonana, hoy izy ireo dia ny fahantrana, tsy filaminana,... Naneho ny tsy fankasitrahany kosa hoe : roa andro nialohan’ny fifidianana no nisy fisamborana, ka efa mety efa rano raraka iny, ka aoka mba tsy hiverina fa naika izahay no hosoketainareo raha sanatria voasakana teo iny fifidianana iny satria raha izay «alerte » nataonay izay no nandeha dia tsy nisy fifidianana teto, ary sahinay ny miteny an’izany, hoy Rasambozafy Cyrille mpitarika ny Fikambanan’ny Grand Sud Est. Madagasikara no olantsika, aza miseho ho tompony loatra mihoatra ny hafa, aleo mifampiresaka sy mifanantona raha misy zavatra tsy mety, hoy hatrany izy ireo, izay naneho fa tokony mba ho farany iny zavatra niseho tamin’ny zanaky ny Sud Est iny. Ankoatra an’i Paraina Auguste, dia misy mpanao asa soa avy any an-dafy Dr Philipine Giroux, mpanome fitaovana ny hopitalin’i Vaingandrano, ka gaga izahay maheno hoe : notazonina izy mivady fa hoe : mitondra heroine, kanefa tsy misy an’izany fa fanafody efa fampiasan’ny vadiny dia « ritonavire », ary efa nakana nampiasaina no hitazonana azy, misy «indice»-na « héroïne » ilay fanafody, fa tsy voarara eto Madagasikara, rehefa natao ny fanadihadiana, hoy ny fanazavana. Mifanandrify foana ny fahavoazan’ny zanakay fa dia manao fahadisoana tahaka ny inona ? Naneho moa Rasambozafy Cyrille, fa matoa izy ireo mijoro miaro dia zavatra ara-drariny sy voaporofo no hijoroan’izy ireo, ary izaho izay miteny, hoy izy, dia mpahay lalàna. Ny ampitson’io ihany koa anefa, voalaza fa saika hosamborina ihany koa i Christian Tabera saingy tafaporitsaka. Izy izay zanaky ny Sud Est, ary isan’ny tazana tao anatin’ny fanambarana nataon’izy ireo teny 67Ha ny alarobia teo. Nisy avy hatrany ny fanambarana nataon’ny Grand-Sud, niainga avy tany Versailles eo anatrehan’ny fitazonana an’i Dr Philipine Giroux sy fikasana hisambotra an’i Christian Tabera, nanameloka ny fihetsika atao azy ireo. Hitohy anio ny fanambaran’izy ireo, ka andrasana ny tohiny !
Toky R

 

 


 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap