Nisokatra ofisialy omaly teny amin’ny Le Colisée Ampasanimalo ny Fikaonandoha nasionaly ho an’ny fizahantany izay maharitra roa andro, hiresahana sy handinihana teboka 6 lehibe : fametrahana ny « digitalisations » sy ny fanavaozana ho maoderina kokoa ny tolotra ara-pizahantany ; fametrahana fandriampahalemana sy fanavaozam-pitantanana amin’ireo faritra tsy milamina ; fisitrahana sy ny fitantanana mifandraika amin’ny ara-tany; fizorana amin’ny fizahantany tompon’andraikitra sy lovain-jafy ; famatsiana rano sy angovo amin’ny sehatra ara-pizahantany ; ary ny toeran’ny fizahantany nasionaly. Nanokatra ofisialy izany ny Minisitry ny fizahantany sy ny asa tànana Rtoa Lily Rafaralahy, izay nanipika fa ny sehatry ny fizahantany, dia sehatra iray tokony hampitombo be ny toekarena. Manana lavitra noho ny ananan’ny firenen-kafa isika kanefa mbola tsy tafavoaka, ka antenaina fa hisy vokatra lehibe amin’ny famerenana na « relance » ho an’ny fizahantany, toy ny fampiakarana ny isan’ireo mpizahatany, miainga amin’ny zavatra tapaka eo. Manohy ny ezaka nataon’ny Minisitra teo aloha, ka isan’ny himasoana anatin’ny 24 volana ny fanaovana ho ara-dalàna ireo mpisehatra na « formalisation », ary tsy maintsy hamoraina amin’ny alalan’ny « digitalisation », fa indrindrindra ny fakan-kevitra. Notsipihiny, fa raha ho avy ny fikaonandoha nasionaly dia efa manana atolotra ny Minisiteran’ny fizahantany. Tsy sarintsarina fakan-kevitra, fa efa nisy ny rejionaly, niainga avy teny ifotony. Efa nisy ny an’ny asa tànana manokana, izay tsy maintsy natsangana ny komity manao ny fizohiana na fanaraha-maso satria misy rantsana 14 ny asa tanana manokana. Misy ny fanarahana ny fanatanterahana azy sy fipakany amin’ny fanavaozana any amin’ny mpisehatra. Notsipihin’ny Minisitra Lily Rafaralahy, fa tsy vita ao anatin’ny iray andro ny fampandrosoana an’i Madagasikara, raha ny zavatra tsy natao tao anatin’ny 16 taona no terena ho vita anatin’ny roa volana. Na izany aza, notsipihiny fa tsy mipetra-potsiny ny Fanjakana, ka tafiditra ao anatiny ny depratemanta iadidiany. Zava-dehibe, hoy izy, ny fananana Minisitera mieritreritra, maka saina lalaina, maka hevitra,… ka sao dia mila miaiky isika fa ny tsy fifampihainoana no antony tsy nampandroso hatramin’izay. Ezaka lehibe noho izany rana ny nambarany no ataon’ny Minisiteran’ny fizahantany sy ny asa tànana, ka nisaorany ireo mpisehatra, ireo teknisianina, manana fanetren-tena hidinika.
Toky R
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»