airtel

Actualités

20-nov-2025

FIKAONANDOHAM-PIRENENA KRISTIANA

Mijoro, Miombona, Mandray andraikitra

Sample post image

Iaraha-mahita ny zava-misy eto

20-nov-2025

Madagasikara sy manerantany, izay ilaina ny fijoroana amin’ny maha izy azy indrindra ny kristiana hoy Atoa Tiana Randroanasoloarimina, mpandrindra nasionalin’ny fikaonandoham-pirenena kristiana. « Kristiana mijoro, miombona, mandray andraikitra ». Io no loha-hevitry ny fikaonandoham-pirenena Kristiana, andiany voalohany nokarakarain’ny Fikambanana Mampiely Baiboly nanomboka omaly alarobia ka hifarana rahampitso zoma 21 novambra 2025 eny amin’ny ISTS KATOLIKA Mandrimena Iavoloha. Telo andro iarahan’ireo avy any amin’ny faritra, fiangonana, fikambanana kristianina, diaspora miara-mikaondoha mikasika lohahevitra miisa 10 izay sehatra manan-danja eo anivon’ny firenena. Zava-dehibe ny hetsika toy izao hoy ny filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara Kolonely Michael RANDRIANIRINA satria misy zavatra tokony ovaina ihany koa ny lafin’ny ara-panahin’ny Malagasy . Notsindrin’ny filohan’ny fanavaozana fa tsy avy amin’ny fanjakana ny zavatra ho tenenina amin’ny « concertation nationale » tanterahan’ny FFKM fa ny zavatra ilain’ny vahoaka avy any ambany no ampiakarina aty amin’ny nasionaly ka ho avoaka ho tondrozotra. IZAY ZAVATRA ILAIN’NY VAHOAKA Hisy zavatra iarahan’ny kristiana manampaka sy manatanteraka mandritra ity fikaonandoha ity izay ho aparitaka eny anivon’ny fiangonana sy ny fikambanana mba ho tanterahana hatreny ifotony fa ihany koa iray amin’ireo tolon-kevitra ao anatin’ny soso-kevitra izay hanaovana ny « concertation nationale » tanterahan’ny FFKM. Notsindrin’ny filohan’ny fanavaozana fa tsy avy amin’ny fanjakana ny zavatra ho tenenina amin’ny « concertation nationale » tanterahan’ny FFKM fa ny zavatra ilain’ny vahoaka avy any ambany no ampiakarina aty amin’ny nasionaly ka ho avoaka ho tondrozotra. Tanjona hoy ny mpikarakara ny hifandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara mba hanasoavana ny firenena sy hijoroana amin’ny maha Kristiana.
LALAINA RAV
 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

ny miaramila sy tanora handoro toby mpihary herinaratra »

Card image cap
30-avril-2026

Tanora miisa 15 no indray

Card image cap
29-avril-2026

Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"

Card image cap
29-avril-2026

birao vaovao, notsofina rano

Card image cap