nilaza fa tsy mifanohitra amin'ny lalampanorenana ny tetiandro natolotry ny CENI mampihena 10 andro ny fe-potoana iasan'ny Filoham-pirenena ankehitriny, raha ho kandida. Izy izay efa voafaritry ny lalampanorenana araka ny andininy faha-46 fa tsy mialohan'ny fifidianana. Any amin'ny governemanta sisa ny fanapahan-kevitra farany, fa efa mazava izany ny an'ny CENI sy ny HCC. Amin'ny lafiny iray, tsy te hitarazodrazoka hitazona baolina ela ireo rafitra, raha toa ka misy ihany ny fitakiana fandaminana sy fanadiovana ny kianja politika, fikitiana ny lalàm-pifidianana, famerana ny vola ampiasaina amin'ny propagandy,... Tsy te hitazona an-dRajoelina ela ihany koa ve alefalefa haingana ny fifidianana. Na ny antoko lehibe sasany ao anatin'ny fanoherana aza mitaky ihany koa ny tetiandro sy didim-panjakana manamafy ny daty sy ny hisian'ny fifidianana,... Naman'ny mampamangy ve izany ny resaka fikaonandoham-pirenena sy fandaminana ny kianja politika ? Hanao ahoana ny ho fijerin'ny sehatra iraisam-pirenena sy ny famatsiam-bola ara-pifidianana? Ny sehatra iraisam-pirenena izay efa naneho fa mila tanterahina ireo fanintsiana niainga tamin'ny fifidianana 2018: lalana, vola ampiasaina.
Toky R
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny