Nanomboka omaly 06 Jolay 2026 tao amin’ny Hôtel Sheraton Ivato ny Fikaonandoham-pirenena ho an’ny fitsarana, izay haharitra dimy andro ary ahitana mpandray anjara manodidina ny 600 avy amin’ny sehatra rehetra amin’ny fitsarana sy ny tontolo ara-pitsarana eto Madagasikara. Mikendry ny hanangana rafitra ara-pitsarana mahaleo tena, mangarahara ary miasa akaiky amin’ny olom-pirenena. Navoitra fa raisina ho fototra iorenan’ny fanjakana tan-dalàna sy ny fitantanana mangarahara ny Fitsarana, sady singa tsy azo ihodivirana amin’ny fampandrosoana maharitra. Na izany aza, mbola misy olana maro manohintohina ny fahombiazan’ny rafitra: fanamafisana ny fahaleovan-tena, ady amin’ny kolikoly, fanatanterahana ny didim-pitsarana, fepetra iasan’ny mpitsara sy ny mpiasan’ny fonja, ary ny fitantanana ny rafitra fandraharahana ny fonja. Ho setrin’izany, nisafidy ny fomba fakan-kevitra sy fifampidinihana, araka ny fomban-drazana malagasy “Ny hevitry ny maro mahataka-davitra”, izay manamafy fa ny vahaolana tsara indrindra dia avy amin’ny eritreritra iombonana ny Minisiteran’ny Fitsarana. Namafisina ny Fahefam-pitsarana miantoka ny fanavaozana ho amin’ny fampandrosoana, ka tanjona lehibe ny hanomboka adihevitra lalina momba ny fanavaozana ara-drafitra ny fitsarana malagasy. Anisan’ny laharam-pahamehana ny fanombanana ny rafitra ankehitriny, famaritana ny olana iainan’ny mpisehatra, fanolorana fanavaozana mifanaraka amin’ny zava-misy, fanamafisana ny fahaleovan-tena sy ny fahombiazan’ny fitsarana, fanatsarana ny fitantanana ny fonja ary fananganana drafitra nasionaly ho an’ny fanavaozana. Ny asa dia hozaraina amin’ny komisiona araka ny sokajin’ny matihanina: ny mpitsara hifantoka amin’ny fahaleovan-tenan’ny fahefam-pitsarana, ny fanatanterahana didim-pitsarana ary ny ady amin’ny kolikoly; ny greffiers handinika ny fanatsarana ny asany sy ny fanavaozana ny serivim-panjakana ara-pitsarana; ny mpiasan’ny fonja hifantoka amin’ny fitantanana ny fonja, ny zon’ny voafonja ary ny fanavaozana ny rafitra penitensiera; ary ny mpisolovava sy ny mpanampy ara-pitsarana handinika ny anjara toerany amin’ny fanavaozana sy ny ady amin’ny kolikoly. Amin’ity hetsika ity, navoitra fa manamafy indray ny fanoloran-tenany amin’ny fananganana fitsarana mahaleo tena, mahomby, manaja ny fahamarinana ary azon’ny rehetra idirana ny Governemanta, araka ny torolalana ao amin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana sy ny vina amin’ny fanavaozana ny Repoblika na ny PGE-R. Andrasana izany ny vokatra !
Toky R
Nihaona tamin'ny Filohan’ny Komisionina ny