airtel

Actualités

14-avril-2023

Actualités

Fikarakarana pasipaoro Naato aloha ilay fitakiana “lettre d'hébergement”

Sample post image

Namoaka fepetra nambara fa ho fanampiana ireo olona tonga hanao Pasipaoro izay atao eny Anosy ny Polisim-pirenena.

14-avril-2023

Hisy ny fandaminana vaovao apetraky ny sampan-draharaha manomboka anio 14 aprily ka toy izao manaraka izao izany : Misokatra amin'ny 06 ora maraina ny fandraisana ireo antontan-taratasy; raha sendra mahita olona na Polisy manao kolikoly dia afaka antsoina ny laharana 034 05 507 34; Efa misy ihany koa ireo Polisy avy ao amin'ny IGPN afaka hanatonana eny an- toerana raha sendra misy izany. Mba hanafainganana ny fandinihana sy ny fankatoavana ny antotan-taratasy ilaina amin'ny fahazoana Pasipaoro dia ahato aloha ny fitakiana ny "lettre d'hébergement", hoy ny fampitam-baovao. Hisy ihany koa ny fandaminana vaovao hapetraka hialana amin'ny filaharana lavareny sy ny fandanim-potoana koa iangaviana isika hanaraka izany, hoy ny toromarika. Niteraka adihevitra be moa ny resaka fanovana momba ny fikarakarana pasipaoro toy ilay “lettre d'hébergement” avy amin’ny hivantanana, fanamarinana ny anton-dia sy ny maro hafa, izay maro no nandika izany ho fanasarotana, ary làlana mankany amin’ny kolikoly. “Mba mila miteny kosa ny ny Minisitry ny Atitany raha marina tokoa fa tsy voaloantsika ny trosan'ireo kaompania vahiny mpanao ny Pasipaoro: Semlex sy Veridos, dia notapahan-dry zareo ny fandefasana ireo Pasipaoro mankaty Madagasikara satria mbola ampahany amin’ny vola no voaloa, dia io risoriso be io ny fahazoana pasipaoro amin’izao. Efa tongan'ny mpanera hatrany izao…”, hoy moa ny fanehoan-kevitry ny Profesora Jonah Ratsimbazafy mikasika ity olan’ny pasipaoro eto amintsika lasa resabe ity.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-sept-2023

Namoahana fanairana na "Alerte orange" ny tafika, raha ny taratasy miparitaka eny amin’ny tambajotran-tserasera,

Card image cap
22-sept-2023

Nohavaozina tanteraka ny biraon’ny kaominina Ambohidrapeto, distrikan’Atsimondrano.

Card image cap
22-sept-2023

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany amin’ny distrikan’i Sambava roa volana lasa izay.

Card image cap
22-sept-2023

Lehilahy roa 43 sy 54 taona no nidoboka am-ponja rehefa tratra teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ,

Card image cap
22-sept-2023

Mitombo ny isan'ireo teratany vahiny hita ho mifampizara tsena amin'ny mpivarotra amoron-dàlana tato ho ato, raha ny vaovao niparitaka omaly.

Card image cap
22-sept-2023

Tsy mifidy tany ny fahaizana manazatra ny baolina kitra! Tena mamiratra any Seychelles i Tsiahavahana Solofo Ramarolahy.

Card image cap