airtel

Actualités

18-oct-2024

Fikarakarana taratasim-panjakàna

Lasa fambolena fahasahiranam-bahoaka

Sample post image

Lasa fambolena fahasahiranam-bahoaka ankehitriny ny fikarakarana taratasim-panjakàna eto Madagasikara,

18-oct-2024

na amin’ny sehatra inona io na amin’ny sehatra inona. Raha mila taratasim-pitsaràna amin’ilay antsoina mahazatra hoe «casier judiciaire» na koa «bulletin n°3», ohatra, izany amin’izao fotoana izao ka mifanalavitra ny toerana nahaterahana sy ny toerana misy ilay olona mila izany dia tsy maintsy midina any amin’ilay toerana mihitsy io olona io mikarakara izany. Izany hoe na efa mipetraka eto Antananarivo aza ilay olona fa tena tany Fianarantsoa nefa mila an’io taratasy io dia mila midina any amin’ilay toerana nahaterahany izy. Tranga nampitaraina olompirenena maro nikasa hilatsaka ho fidiana ho mpanolontsain’ny tanàna nikarakara antotan-taratasy farany teo, ohatra, izao izany. Toy izany koa ny mahazo ireo olona very kara-panondro sy rehefa taratasy ilainy amin’ny maha olompirenena azy ary tsy vitan’izay fa dia mbola mivezivezy etsy sy eroa, tahakan’ilay hiram-pivavahana iray izay mihitsy hoe «nikaro-java-tsoa», izay vao afaka misitraka izay zo maha olompirenena azy izay. Izany hoe sady lany vola no voatery nandao ny fitadiavana isan’andro na koa hoe fidiram-bola sy fivelomana izay vao afaka nahazo taratasy hahafahana manolo ilay kara-panondro na taratasy hafa ilaina amin’ny maha olompirenena. Manontany ireo niaina tany amin’ny repoblika voalohany ianao. Tsy nisy fahasahiranam-be ohatran’izany. Manontany ireo niaina tao anatin’ny repoblika faharoa sy fahatelo fa tsy nisy an’izany. Amin’izao andron’ny mpitondra hanatanteraka anatin’ny 5 taona, efa nihoatra 2 taona moa izany izy izao, ny tsy vitan’ny teo alohany tao anatin’ny 60 taona, izay efa 64 taona koa, izao ihany izany no misy fahasahiranana be toy izany ary mbola tsaroana moa ny fahorian’ireo mpianatry ny oniversite nilahatra vatsim-pianarana na «bourse», izay nisy fotoana niari-tory teny Ankatso mihitsy niandrasana ilay vatsy kely 20.000 Ariary mahery isam-bolana tamin’izany fotoana izany. Efa taraiky ny fivoahan’ny fizaràna azy no mbola nampijaly tahaka izany koa. Toy izany koa ireo mpampianatra mpikaroka nasaina nilahatra sy ny nitanika andro teny amin’ny paositra. Miresaka izay tontolon’ny oniversite izay hatrany moa dia anjaran’ireo mpianatra vao afaka bakalorea farany teo ka maniry ny hianatra eny amin’ny oniversitem-panjakana indray izany izao no miaritra karazam-pilaharana foromporonina etsy sy eroa rehefa hikarakara antotan-taratasy hanaovana fifaninanana hidirana eny. Isan’ny nampitaraina ireo ray aman-dreny sy mpianatra maro nikarakara izany teny Ankatso omaly koa, ohatra, izao izany. Hatramin’izay ka hatramin’izao ny filohan’ny antoko politika Tia tanindrazana, izay sady kandidà ho ben’ny tanànan’Antananarivo amin’ity, Tahina Razafinjoelina, no efa hila ho tataka ny vavany niantsoantso hoe andao hidirana amin’izay ilay fampiasana ny nomerika amin’ity fitantanana ny raharaham-panjakana ity saingy henoy izany ry hazon-damosiko, hoy ilay fitondram-panjakana!
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap