hilalao ny filahiany. Niantso vonjy avy hatrany anefa ilay zazavavy kely ka ren'ny reniny. Nampandre ny Zandary avy ao amin'ny borigady Ambohimalaza avy hatrany, noho izany, ity renim-pianakaviana ity, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Na dia niezaka niafina tany ambany fandriana aza ity nahavanon-doza dia hitan'ny zandary ihany. Ny 16 febroary teo moa no nisian'ny tranga. Ny 18 febroary 2025 no nitondrana an-dralehilahy teny amin'ny fitsarana ka nahavoatazona azy vonjimaika any am-ponja, raha ny fampitam-baovao mikasika ity fikasàna hanolana zana-bady nitranga tao Ambohitsimiova Ampandrianomby, kaominina Ambohimalaza, ity hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»