airtel

Actualités

20-févr-2025

Fikasàna hanolana zana-bady

Hitan’ny zandary ihany ilay nahavanon-doza

Sample post image

Efa natsofony tany anatin'ny kilaotin'ny zana-badiny ny tanany ary notereny ity zazavavy ity

20-févr-2025

hilalao ny filahiany. Niantso vonjy avy hatrany anefa ilay zazavavy kely ka ren'ny reniny. Nampandre ny Zandary avy ao amin'ny borigady Ambohimalaza avy hatrany, noho izany, ity renim-pianakaviana ity, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Na dia niezaka niafina tany ambany fandriana aza ity nahavanon-doza dia hitan'ny zandary ihany. Ny 16 febroary teo moa no nisian'ny tranga. Ny 18 febroary 2025 no nitondrana an-dralehilahy teny amin'ny fitsarana ka nahavoatazona azy vonjimaika any am-ponja, raha ny fampitam-baovao mikasika ity fikasàna hanolana zana-bady nitranga tao Ambohitsimiova Ampandrianomby, kaominina Ambohimalaza, ity hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap