Manomboka milefitra ny Fanjakana satria mikatso ny raharaham-pitsarana, indrindra ny tetikasa fizarana karapanondro faobe izay efa tany amin’ny 01 septambra no nanomboka. Nisy ny naoty navoaka toa karazana tery sy tsindry ary manohintohina ny zo sendikaly vao andro vitsy. Nilaza kosa ny Minisitra François Rakotozafy omaly, fa ny naoty navoakany dia mikasika ny fampahatsiahivana ny lalàna velona momba ny zo hanao grevy izay misy fetrany. Nilaza io Minisitra io omaly, fa nisy ny fifanatonana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany mikasika iny naoty iny, ary nisy ny dinila lava dia lava. Tsy fahavalo ny sendika satria na ny sendikan’ny mpitsara na ny sendikan’ny mpandraharaha samy mpiasa eo anivon’ny Minisitera no mandrafitra azy. Amin’ny maha “corps” azy, samy manana ny zavatra takiany mikasika ny fepetra sy tombotsoa arak’asa na “condition de travail”, kanefa misy ny miankina mivantana amin’ny Minisitera ary misy ny tsy miankina aminy mivantana, hoy ny fanamarihany. Izay no nifampidinihana, ka misy ny azo vahana ao anatin’ny fotoana fohy, fa misy ny ilàna fandinihana lalina. Ara-dalàna, tsy resaka fandrahonana olona, fa izay no lalàna, ka izay no nampahatsiahivana azy ireo ny adidy sy ny zon’ireo mpiasam-panjakana ambony, fa tsy misy endrika fanerena olona, hoy io Minisitra io. Zo fototra ny grevy, fa ny olona tsy manao tsy tokony hoterena sy asiana fandrahonana, hoy ity Minisitra ity teo anatrehan’ireo Mpitarika sendika… Naneho kosa ny Filohan’ny sendikan’ny mpiraki-draharaha fa Atoa Randriamaro Alain Michel fa fifampiresahan’ny Raiamandreny sy ny zanaka no tao, ary nisy fitiavana. Tsy tahaka ny nambarany tany aloha izany, fa nilefitra ny Fanjakana satria raha ny noresahana hatramin’izay dia fandrahonana no betsaka hoe: azo soloina rehefa tsy hiasa. Ny fanatsaharana grevy kosa, angamba tsy izay avy hatrany, fa mbola eo am-pamahana olana, fa efa hita soritra ny làlana hivoahana amin’ny fitokonana, ary hita fa hahomby. Manameloka an’ireo maneritery sy mandrahona ny mpiasa tsy mitovy hevitra amin’ny sendika satria zo fototra fa tsy an-tery ny fitokonana, hoy izy. Nilaza fa mahatsapa ny fisian’ny ezaka, ka hijery ny hanamaivanana kokoa ny fitokonana mba tsy ho vesatra ho an’ny Minisitera sy hitsinjovana ny vahoaka. Hanao fanambarana tsy ho ela ireo sendikan’ny mpiraki-draharaha.
Toky R
Tsy ny sehatra tsy miankina ihany no manana lalàna manokana mifehy azy,
Iray amin’ireo rafitra miantsoroka ny ady amin’ny kolikoly ny ARAI na
Namoahan’ny zandarimariam-pirenena didy fampikarohana sy fampisamborana
Nitsangana ny Fikambanan’ny tanora ho an’ny fanavotam-pirenena,
Vehivavy iray no hitan’ny fokonolona nirenireny sy nitomany teny
Voay be manodidina ny 1 metatra eo ho eo, milanja hatrany amin’ny 90 na 100 kg