airtel

Actualités

17-nov-2021

Actualités

Fikojana ny tontolo iainana “Tokony jerena antsipiriany ny hazo hambolena”

Sample post image

5%n’ny karbaonina maneran-tany dia eto Madagasikara, hoy ny filoham-pirenena Malagasy nandritry ny COP 26, araka ny fampahatsiahivan’ny fikambanana Vahaolana anio sy rahampitso.

17-nov-2021

 Tsara jerena izany amin’ny fanentanana ny olona rehetra amin’ny fikojana ny tontolo iainana, hoy ny filohan’izy ireo, Jerry Rakotoarijaonina. Nisy nanimba antsika ihany koa ny natao tany aloha tany satria ny fampidirana ny hazo kininina izao nanimba tany satria mitroka rano. Toy izany koa ny hazo “sapin”. Tokony jerena amin’ny antsipiriany na ny fifantenana hazo ambolena na ny fikojana ireo hazo voavoly. Mikasika ny vidim-piainana moa dia mananika ny faran’ny taona isika izao ary fotoanan’ny tsena. Manararaotra ny rehetra satria eo ilay hoe tao anatin’ny 2 taona izay dia tsy nahitana mangirana ny tsena faran’ny taona. Misy ireo manararaotra mihoa-pampana mihevitra fa hanavotra ny fantiantoka tao anatin’izay 2 taona izay. Mampiakatra ny vidina entana ilaina an-davan’andro dia lazaina fa miakatra ny saran’ny entana avy any ivelany. Tairina ny tomponandraikitra mba hijery akaiky izay fototry ny olana. Sao dia tsy eny an-tsena fa any amin’ny fanafarana ny entana dia any no vahana? Antsoina koa ny olona rehetra mba tsy hanararaotra mihoam-pampana ao anatin’izany zavatra izany satria isika ihany no hifamono sy hiaraka hianjera eto amin’izany, hoy hatrany ny VAR.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap