airtel

Actualités

14-janv-2026

FILALAOVANA FINDAY

Mampihemotra ny fahaizan'ny mpianatra maro

Sample post image

Miditra ao anatin'ny roa volana fahatelo

14-janv-2026

isika ankehitriny ho an'ireo mpianatra eny anivon'ny sekoly ambaratonga fototra sy faharoa ary lisea. Tsy vitsy ireo sekoly nanao jery todikakely mikasika ny fahaizan'ny mpianatra ao aminy noho izany hatramin'ny niantombohan'ny taom-pianarana 2025-2026 no mankaty. Nivoitra tamin'izany fa betsaka ireo sakana tsy mampifantoka tanteraka ny mpianatra amin'ny fianarany. Lohalaharana amin'ireny ny filalaovana finday indrindra fa ho an'ireo efa lehibebe. Olana hafa ihany koa ny fisaraham-panambadian'ny Ray aman-dReny izay mampisavoritaka ny sain'ny mpianatra maro. Ohatra iray noraisin'ny talen-tsekoly iray fa raha misy mpianatra 40 isa ao anatin'ny lakilasy iray dia manana olana eo amin'ny fifandraisan'ny Ray aman-dReniny avokoa ny 30 isa. Misy ireo mipetraka amin'ny Raikely. Misy ny mipetraka amin'ny Renikely. Misy ireo kamboty raha tsy lazaina intsony ireo mivezivezy amin'ireo Ray aman-dReniny noho ny fisarahan-toeran'ireto farany. Betsaka ireo sekoly niresaka mivantana tamin'ny Ray aman-dReny noho izany hahafahana mamaha ny olana. Tsiahivina moa fa saika nanatanteraka varavarana misokatra avokoa ny ankamaroan'ireo sekoly tsy miankina teto an-drenivohitra sy ny manodidina ny faran'ny herinandro teo.
Pati
Légende : Ny finday no anisan'ny fototra manimba ny ankamaroan'ny mpianatra ankehitriny !
 

Dans la même rubrique

09-oct-2026

Misy fanakorontanana

Card image cap
09-oct-2026

Hamondrona ny heriny

Card image cap
09-oct-2026

Misy zavatra tsara alamina ihany angamba…

Card image cap
09-oct-2026

Miantso ireo fikambanam-behivavy

Card image cap
09-oct-2026

Mpisehatra matihanina maherin’ny

Card image cap
09-oct-2026

Mpiadina miisa 2.582

Card image cap