airtel

Actualités

23-déc-2024

Filan-dratsy

Ray niteraka nahabevohoka ny zanany vavy

Sample post image

Ray niteraka no nahavita nahabevohoka ny zanany vavy naterany vao 16 taona monja

23-déc-2024

tany amin’ny kaominina ambanivohitra Sabotsy Namehana, distrikan’Antananarivo Avaradrano. Efa 3 volana ny kibon’io zaza io ankehitriny nandritra ny fotoana nitondran-dReniny azy teo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Efa nalefa any amin’ny Centre Vonjy eny Befelatanana moa ilay zazavavy kely ho arahimaso ara-pahasalamana sy hahazo fanohanana ara-moraly.Ilay Ray nahavanon-doza kosa nosamborina ary notazomina am-ponjakely mba hanaovana famotorana amin'ny heloka niampangana azy. Hatolotra ny fitsarana anio Alatsinainy 23 Desambra moa ny raharaha aorian’ny fanadihadiana hatao amin’ilay Renim-pianakaviana mpitory sy ilay zanany vavy ary ireo mpiara-monina izay nijoro vavolombelona. Vokatry ny fandresen-dahatra nataon’ny CIRGN Antananarivo tamin’ny alala’ny hafatra miafina moa no nanosika ity Renim-pianakaviana tompon-janaka eny Sabotsy Namehana ity nitory ilay vadiny.
Pati
Legende : Any am-ponja no hanao fety ilay ranamana ity vokatry ny filan-dratsy tsy voafehy !

 

Dans la même rubrique

10-sept-2026

Miahiahy sy miampanga olom-boafidy TGV ireo voakasika

Card image cap
10-sept-2026

tokony hahintsy ny fifidianana!»

Card image cap
10-sept-2026

ny volan’ny orinasan-dRajoelina

Card image cap
10-sept-2026

Niseho tamin’ny alalan’ny « visioconférence »

Card image cap
10-sept-2026

Hovitaina mialohan'ny faran'ny taona

Card image cap
09-sept-2026

rano fisotro madio tsy tapaka ny fanjakana

Card image cap