sy fanamafisam-baovao mikasika ny fivoaran'ny famatsiana herinaratra ao Toamasina taorian'ny fitsidihana nataon'ny manam-pahefana tany Atsinanana ny herinandro teo, ny Groupe Filatex izay misy ny Filatex Energy, omaly teny amin'ny Foiben'ny Jirama. "Niverina nandeha ny milina faha-11, mbola mandalo fotoan-tsarotra kely ny ao Tamatave 4. Efa misy ekipa manamboatra ny milina faha-11 izay hamokatra 4MW fanampiny ezahana ho vita alohan'ny faran'ity jolay ity. Tahaka izany ihany koa ny milina faha-8 kendrena ho vita alohan'ny 15 aogositra", hoy Atoa Tahina Ramaromandray, Talen'ny fifandraisana amin'ny daholobe. Nisy fe-potoana nataon'ny manam-pahefana, saingy nisy indro kely satria nisy maotera nantenaina ho velona tamin'ny sabotsy hariva, saingy mbola tsy velona, ka nafaingainina ny asan'ireo teknisianina hanamafy ny asa. Nanafatra milina vaovao efa tonga ao Toamasina ny zoma alina teo, izay hafainganina ny fametrahana azy hampitomboana ny vokatra. Tokony hilamina araka izany ny famokarana hatramin'ny faran'ny volana jolay satria nisy maotera fanampiny, izay efa nandray motera vaovao Wärtsilä HFO manana hery 6 MW ny herinandro lasa, hanampy amin’ny famokarana, raha ny tatitra. Efa miomana amin’ny fampidirana azy ny ekipa ara-teknika alohan’ny hanombohany miasa amin’ny herinandro ho avy. Tao Antsirabe indray, taorian’ny afo nitranga tamin’ny Jolay 2025, efa voaorina indray ny fotodrafitrasa ka manampy amin’ny famatsiana herinaratra ho an’ny Vakinankaratra sy manampy amin’ny tambajotra iraisan'Antananarivo (RIA). Nandritra ny Africa Energy Forum (AEF) natao tao Cape Town tamin’ny jona 2026, nanao sonia Memorandum of Understanding (MoU) ny Filatex Energy sy ny Release by Scatec ho fanombohana dingana vaovao amin’ny tetikasa photovoltaïque eto Madagasikara mikendry fametrahana herinaratra 42 MW any Antsiranana, Mahajanga ary Toamasina, miaraka amin’ny Battery Energy Storage Systems (BESS). Efa mandeha ny dingana voalohany, ary ny sonia vaovao no manamarika ny fanombohan’ny dingana faharoa. Ny BESS dia hanamafy ny fahamarinan’ny tambajotra sy hanatsara ny fiantohana ny famatsiana herinaratra, mikendry "mix énergétique" mirindra: angovo azo havaozina sy vahaolana fitahirizana. « Ireo fandrosoana tao Toamasina sy Antsirabe, ary ny sonia miaraka amin’i Release by Scatec, dia maneho ny faharetan’ny fanoloran-tenantsika. Ny ekipanay dia mijoro andro aman’alina hanampy ny Jirama amin’ny fanamafisana ny tambajotra sy hanampy amin’ny fanarenana maharitra ny sehatry ny angovo. », hoy hatrany Atoa Tahina Ramaromandray.
Toky R