hoy ny mpanao politika, Patrick Raharimanana, dia ny minisitry ny fitaterana no nanome baiko aza, raha ny nambaran’ny tale jeneralin’ny ACM. Azo antoka, hoy izy, fa ny filoham-pirenena, ny praiminisitra no naniraka ny minisitry ny fitaterana hitaky fanazavana amin'ny ACM na sampan-draharaha misahana ny famoivoizana ana habakabaka eto Madagasikara momba ilay fiaramanidina Boeing 777 miisa 5 lazaina omena ny Air Madagasikara ka omena laharana vonjimaika nefa lasa tany Iran ireo fiaramanidina, izay firenena tratran'ny kenda roroka amerikanina. Ny minisitra, tao anatin'ny taratarasy fangataham-panazavàna nataony, an'i tale jeneralin’ny ACM, dia nilaza fa tsy misy zavatra fantany ary tsy nahazo tatitra momba io raharaha io izy ka mangataka fanazavàna ao anatin'ny 48 ora na «DE, demande d'explication». Namaly ny talen’ny ACM fa noho ny baiko avy amin'ny minisitry ny fitaterana, izy milaza fa tsy mahafantatra na inona na inona no nanaovany ity raharaha ity ary nanome vaovao hatrany ny an-tanatohatra izy. Ny talen'ny seraseran'ny fiadidian'ny repoblika teo aloha, sady tale jeneralin'ny orinasa Tsaradia teo aloha moa dia nanontsana an'ity minisitry ny fitaterana ity no sady sekretera jeneraly tao amin'ny fiadidiana ny repoblika teo aloha ho tafiditra lalina anatin'izao raharaha izao. Samy olona akaiky sy niara-niasa tamin'ny filoha avokoa izany izy ireo. Tsy azo inoana ho tsy nahafantatra izany ny any ambony rehetra any sy ny mpandraharaha akaiky ny fitondràna, izay mifehy tanteraka ny ACM, miaraka amin'ny sehatry ny fiaramanidina ary akaiky ireo tomponandraikitra ireo avokoa. Mila mazava ity raharaha ity fa tafiditra lalina anaty resaka fampihorohoroana no mety andraisan'ny amerikanina ny raharaha. I Madagasikara rahateo nandefa solontena niatrika ny fametrahana tamin'ny fomba ofisialy ny filoha iranianina taorian'ny nahavoafidy azy, hoy hatrany ny fanazavàna sy fampahatsiahivan’ity mpanao politika sady mpamakafaka ity. Ilay filazàna fa voafitaka ny fanjakàna malagasy no tena manafitohina, hoy koa ny mpamakafaka, Velo Ghislain. Nilaza moa ny minisitry ny fitaterana, Valérie Ramonjavelo, fa voafitaka ny fanjakàna malagasy ka hitory ireo mpandraharaha vahiny nikasa hampiasa zotra iraisampirenena teto Madagasikara. Fanazavàna izay nampametra-panontaniana, naha lasa saina, nanafitohina mpanara-baovao maro tokoa, araka izany.
Nangonin’i J. Mirija