airtel

Actualités

13-août-2024

Filohan’ny CAREA

«Aoka isika tsy hanao safobemantsina ny ao amin’ny tribonaly!»

Sample post image

Efa maro ihany ny fampahafantarana nataonay momba ny CAREA,

13-août-2024

hoy ny filoha vaovaon’ny CAREA na «Compagnie des Arbitres Rapporteurs et Experts Agréés près les Cours et Tribunaux de Madagascar», Rabetsimamanga Guillaume. Nisy, hoy izy, ny didim-panjakana ny taona 1958 nanangana anay. Nisy andinindininy sasantsasany novaina koa ny taona 2006. Milaza io fa izahay dia miaraka amin’ny tribonaly ary manampy amin’ny raharaha ao amin’ny tribonaly rehetra. 54 no isan’ny mpikambana ato ary misy fahaizana na «spécialité» maromaro ihany koa. Ao ny mikasika ny tany na «domaine». Ao ny mikasika ny ranomasina rehetra na «maritime», ny fifandraisan-davitra na «télécommunication», ny informatika, ny «graphologie» izay ijerena ireo taratasy mety ho hosoka na ilain’ny tribonaly na mila hamarinina hoe marina sa diso, ny fambolena sy fiompiana na «agronomie». Misy ny hitsivolana hanendren’ny tribonaly anay rehefa ilainy ny fanampiany anay amin’ny fanazavana bebe kokoa ara-tekinika. Mandeha ao amin’ny tribonaly daholo ny ady rehetra fa miha mitombo kokoa angamba amin’izao androntsika izao ny mikasika ny aditany. Ny hidiran’ny CAREA voalohany amin’ny aditany dia manana isika manam-pahaizana na «expert» amin’io. Afaka mamaritra tsara ireo «expert» hoe aiza marina no tena anjaran’ity olona ity? Tena manana anjara amin’ity toerana ity ve ilay olona, manana taratasy ara-dalàna ve? Rehefa manendry azy ny tribonaly dia manamarina an’izay eny an-toerana ny «expert» amin’ny aditany. Izaho indray kosa, be dia be amin’izao fotoana izao ny fampahafantarana fifanarahana ara-barotra na «acte de vente», fifanekena, «procuration» na fanomezana alalana sy ny rehetra dia anjaran’ny tenako no manamarina hoe tena ilay olona tokoa ve no nanao azy? Ny tena olana tsinona dia saika efa maty daholo ny olona nanao ilay «procuration» vao miseho ny ady. Ny ara-tekinika no anay. Ohatra raisinay foana amin’izao fotoana izao moa ny hoe ny tribonaly maoderina, na any ivelany aza, dia mitovy amina telozoro iray. Misy lafiny miisa 3 izany ka ny lafiny voalohany, ny mpisolovava, ny faharoa, ny «expert», ny fahatelo «magistrat» na mpitsara. Izahay izany no misorona afo sy manao ny ketrika rehetra fa ny tribonaly no mandoa-bary. Tsy hoe «expert à la cours» fa «expert près les cours», izany hoe eo akaikin’ny tribonaly eo. Ohatra iray koa izao ny mikasika tenim-pirenena. Misy anglisy ato, misy arabo, misy japoney, misy sinoa sy ny rehetra ka raha misy sinoa tonga eny amin’ny tribonaly, ohatra izany, na japoney dia mila mpandika teny amin’ny teny malagasy dia ny «expert» ato aminay ihany no itokisan’ny tribonaly. Aoka isika tsy hanao safobemantsina ny ao amin’ny tribonaly! Misy manao ny asany ireo fa aza tenenina hoe rehefa tribonaly dia ratsy daholo. Avo lenta be daholo ny fianarana nataon’ireo ka aoka tsy ho tranga iray amina singa miisa arivo no raisina dia entina ilazàna hoe ratsy daholo ireo. Sahala amin’ny raharaham-pirenena koa hoe ny karàna rehetra dia ratsy na ny sinoa rehetra dia ratsy nefa misy sinoa sy karàna tsara. Aza atao safobemantsina ny fomba fijery, hoy hatrany ny filohan’ny CAREA!
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap