airtel

Actualités

18-oct-2024

Fiondranana an-tsokosoko

Somalianina 15 sarona tany Analalava

Sample post image

Tera-tany Somaliana 15 mianaka no tratran’ny zandary tao Ambodimanga, Fokontany Marovato Sud,

18-oct-2024

Kaominina ambanivohitr’i Maromandia, distrikan’Analalava ny alin’ny 16 Oktobra lasa teo tokony ho tamin’ny 08 ora sy sasany alina raha nikasa hiondrana an-tsokosoko. Najanon’ny fiara izy ireo, raha ny loharanom-baovao azo ka nanohy ny diany mankany antafian’ny Agnalagnabe mba hiandry sambo haingam-pandeha haka azy.Nidina avy hatrany ny Zandary rehefa nahazo vaovao momba azy ireo ka tratra teo am-piomankomanana ny hiainga izy 15 mianaka. Fantatra fa tsy miteny gasy izy ireo, antony nahafantarana fa tera-tany Somaliana izy ireo no sady tsy misy manana pasipaoro koa na iray aza. Zaza amam-behivavy ny ankamaroany.Nentin’ ny Zandary natao andrimaso ao amin’ny biraon’ny borigadin’i Maromandia moa izy ireo ka mbola tavela ao hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay ny vaovao.

Nangonin’i Pati
Legende: Ireto izy 15 mianaka tera-tany Somaliana saika hiondrana an-tsokosoko any ivelany !

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap