airtel

Actualités

07-juin-2024

FIONDRANANA MANKANY IVELANY

Voarara ny mitondra vola mihoatra ny 1000 Euros

Sample post image

Nogiazana ny ampahana volana vahiny ana tera-tany Malagasy iray saika hiondrana any Sina nahatrarana vola vahiny 108.200 Euros.

07-juin-2024

Afak’omaly Talata folakandro no nahatraran’ny alika mpitsongo dia avy ao amin’ny bridage canine ao amin’ny Fadin-tseranana azy io. Tsiahivina fa raha araka ny lalàna dia 1 000 euros ihany no vola azon’ny mpandeha entina mivoaka ny sisintany. Raha mihoatra ny 1 000 euros ka hatramin’ny 10 000 euros izany vola izany dia tokony hitondra fanamarinana ary hanao fanambarana eo anivon’ny Fadintseranana ilay mpandeha. Voarara tanteraka ny mitondra lela-vola mihoatra ny 10 000 euros noho izany. Tokony ny orinasa tompon’antoka no manao ny famindrana lelavola ambony any amin’ny firenen-kafa ka anisan’ireny ohatra ny banky. Nogejain’ny Fadintseranana moa ny vola mitentina 107. 200 euros, ary naverina tamin'ilay mpandeha ny 1000 euro tokony hoentiny. Pati
Legende : Ireo lelavola Euros tratra nentina mpandeha iray !
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap