Firaisambe Afrikanina Atoa Mahamoud Ali Youssouf omaly ny masoivoho Malagasy ao Etiopia sady Solontena maharitr'i Madagasikara eo anivon’ny Firaisambe Afrikanina Atoa Paraina Auguste. Nandritra izany no nilazan'Atoa Mahamoud Ali Youssouf fa "manohana hatrany ny fitondrana misy ankehitriny izy ary mankasitraka tanteraka ny tondrozotra natolotra any amin’ny SADC, ny fikaonandoha-pirenena tarihin’ny FFKM. Tombony ho an’i Madagasikara, hoy izy, ny filaminana raha mitaha amin’ny firenena hafa voasazy". Notsiahiviny ny fihaonana nisy taminy sy ny filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara tany Nairobi izay nambarany fa "tena nahafa-po" azy tokoa. Tamin'io fotoana io no nanoloran'Atoa Paraina Auguste ny taratasy manendry azy ho Solontena maharitr'i Madagasikara eo anivon’ny Firaisambe Afrikanina tamin’ny Filohan’ny Komisionina Atoa Mahamoud Ali Youssouf. Manome toky an'ity farany ny ambasadaoro malagasy fa "hanaja ny tetiandro sy ny teny nomena ny fitondrana". "Vita izay ny teto Addis Abeba ka hijery amin’izay koa ny firenena hafa eo ambany fiadidian’ny Masoivoho eto Etiopia dia i Kenya, Egypte, Djibouti, Ouganda, Cameroun, Congo-Brazzaville, Somalie , Erythrée, Soudan. Mila manamafy ny fihavanana sy ny fiaraha-miasa amin’ny firenena afrikanina rehetra isika", hoy Atoa Paraina Auguste.
Jean D.