airtel

Actualités

21-sept-2023

Firaisankinan’ireo administratera sivily

“Tsy atokisana intsony ireo! Tsy maintsy hirefotra ity…”

Sample post image

Mandeha ny fotoana, hoy ny Firaisankinan’ireo administratera sivily na “Collectif des administrateurs civiles” nanao fanambarana tetsy Mahamasina omaly.

21-sept-2023

Lany fotoana mifampihantsy eto fotsiny, hoy ny mpitondra tenin’izy ireo, Ratolojanahary Maharavo na Doudou, ny andaniny sy ny ankilany. Very fahatokisana amin’ireo andrim-panjakana ireo ny malagasy amin’izao fotoana izao. Tsy iza izany fa ny governemanta, HCC, CENI. Ao koa ny lalàna mifehy fifidianana sy lisitry ny mpifidy. Taloha neverina ho adilahy politika nifaninanan’ny RMDM sy ny fanjakana ilay izy. Ankehitriny, ny sendika, ny Kristianina, ny firaisamonim-pirenena, fikambanana miha maro isan’andro no miha manakiana ireo zavatra rehetra ireo. Ny vadin’i Dina (Dina Andriamaholy Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika) mihitsy no sekretera jeneraly lefitra mpikambana ao amin’ny HCC. Dia atakalony an’i Rajoelina ve ianao? Ny vadin’ny mpanolontsaina manokan’ny filoham-pirenena mihitsy no mpikamban’ny HCC. Iza no hatoky ny HCC amin’izany? Vadin’ny filohan’ny CENI ilay Gisèle Ranampy, minisitra vao afak’omaly. Iaraha-mahita ny ataon’ny minisitry ny serasera. “Mi-watawata” etsy sy eroa. Miady aman’olona etsy sy eroa. Dia ahoana moa no atokisana an’io fa tsy hitanila? Ny praiminisitra tamin’ny andron’ny depiote miisa 73 no nahatongavany teo. Mbola praiminisitra izy androany. Firy ny fanakianana nataon’ny mpanohitra io governemanta Ntsay Christian io nefa dia izy indray androany no nolazaina fa omena ny fitarihana ny firenena amin’ny alalan’ny fiaraha-mitantana. Iza no hino intsony fa tsy hitanila io? Ny lisitry ny mpifidy tamin’ny fifidianana kaominaly, tsy manan-kery raha tsy misy sonian’olona maromaro voafaritra. Niainanay izany! Amin’izao tsy misy izany intsony fa olon-tokana no mamaritra ny lisitra. Firy volana aty aloha dia hoe io. Faly ianao fa ao ny anaranao. Avy eo ilay izy ampidirany olona be dia be efa ho 50% dia inona no azonao atao azy? Toy izany ny lalàm-pifidianana sy lisitry ny mpifidy. Hieritreritra ve ianao fa hanaikinaiky fahatany izany ny gasy? Tandindonin-doza ny firenena! Tsy maintsy mitady fomba isika ahatongavana amin’ny fifanarahana politika faran’izay haingana fa rehefa tsy izay dia tsy maintsy hirefotra ity na hanao mazia aza isika. Dieny mbola tsy hanenenana dia handao hifanatona an-databatra boribory. Tsy tokony hitsara ny filoha Andry Rajoelina ny vadin’i Dina. Ahoana no hitsaranao ny lehiben’ny vadinao? Tsy maintsy miangatra ianao, hoy hatrany izy ireo!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap