Hatomboka manerana an’i Madagasikara ny fisoratana anarana biometrika ho an’ny olom-pirenena rehetra, hetsika lehibe izay fantatra amin’ny anarana hoe “opération d’enrôlement biométrique”. Ity dingana ity dia mikendry ny fananganana rafitra ara-kajimirindra sy maoderina, ahafahana mamantatra amin’ny fomba mazava sy azo antoka ny maha tokana ny tsirairay. Ahitana ny fanangonana ireo singa maha-olona ankapobeny sy biometrika, ary hiteraka fanomezana laharana manokana famantarana na NUI (Numéro Unique d'identification) ho an’ny olom-pirenena tsirairay, nofintinina amin'ny hoe: "Izaho tokana". Kendrena amin’izany ny hanamafisana ny maha tokana ny olona, hanatsarana ny tolotra ho an’ny vahoaka ary hiantohana ny fiarovana ny mombamomba manokana. Nanamafy ny fitondram-panjakana fa voaaro tanteraka ny tahirin-kevitra ary hajaina ny fitanana azy ho tsiambaratelo, ho fiarovana ny zon’ny olom-pirenena sy ny fahatokisan’ny vahoaka amin’ity rafitra vaovao ity. Ity hetsika ity dia heverina ho dingana lehibe amin’ny fanavaozana ny fomba fitantanana sy ny fanomezana tolotra ho an’ny vahoaka eto Madagasikara. Tsara ny mampahatsiahy fa nandritra ny kabarin'ny Filoham-panjakana Randrianirina Michael ny 31 desambra 2025 teo no efa niresahany ny hirosoan'i Madagasikara amin'ny karapanondrom-pirenena biometrika sy ny fanavaozana ny lisi-pifidianana. Tsara ny mampahatsiahy fa efa nisy ny tetikasa PRODIGY (Projet de Gouvernance Digitale et de Gestion de l'identité Malagasy) nisy famotsiam-bola 140 tapitrisa dolara na 500 miliara Ar teo natomboka tao anatin'ny Fitondrana Rajoelina saingy tsy hita izay vokatra sy tatitra mazava tamin'izany. Zava-dehibe ho an'ny Firenena ny firosoana amin'ny matihanina kokoa amin'ny alalan'ny teknolojia ny firaketana ny mikasika ny olom-pirenena. Manampy, manamora amin'ny fitantanana sy ny fanapahan-kevitra, manamora ny sakana eo amin'ny lafiny ara-panjakana na ny "lourdeur administrative",... Raha miresaka fifidianana ohatra, mampihena ny fandaniana, mampihena ny hosoka sy hala-bato ny mety fisian'ny karapanondro biometrika. Tsy voatery handeha hanonta kara-pifidianana intsony izay eo amin'ny 4 miliara Ar eo ny fanontana izany fotsiny. Tsy resaka karapanondro ihany fa tena manampy ny firosoana amin'ny nomerika sy ny "digitalisation" raha tsy hiresaka ny tontolon'ny fananan-tany fotsiny ohatra izay fandre foana ny boky rivotra, tsy hita,... kanefa raha voarakitra ara-nomerika ankoatra ny taratasy azo tsapain-tanana dia voafehy na faraharatsiny mihena ny olana, mihena ho azy ny kolikoly,...
Toky R