airtel

Actualités

26-févr-2025

Firenena efa mivarina an-kady

Tratry ny be manaiky ny Malagasy

Sample post image

Miha malemy amin’ny lafiny rehetra ve ny vahoaka Malagasy ka manaiky lembenena eo

26-févr-2025

anatrehan’ny tsy fahombiazana sy fahapotehana entin’ny mpitondra ? Toy izao ve ilay nilokalokana tamin’ny Malagasy ny taona 2009 ka nanonganana ny mpitondra tamin’izany ? Raha ny mpitondra amin’izao ny teo amin’ny fanoherana moa tsy efa mety tonga hatramin’ny fananihana lapam-panjakana na filanjana vatam-paty teny amin’ny kianjan’ny 13 mey ? Raha ny zava-misy ankehitriny, tena zava-doza sy ratsy noho ny nodradradraina fa tsy fahombiazana tany amin’ny 2009 ny zava-misy ankehitriny. Mangina sy milefitra anefa ny Malagasy ka sanatrian’ny vava toa tratry ny be manaiky, hany ka manaiky tsy fidiny izay mitranga na efa mivarina any an-kady aza ny fitantanana ny Firenena. Mety resahana ny hoe : tsy misy mpitarika, malemy ny mpanohitra,… saingy ny zava-misy ankehitriny dia tokony hanery ny rehetra handray andraikitra tsy hiandrasana na iza na iza, fa tena ilàna fandavan-tena avy amin’ny rehetra. Manao ny tsy fanao amin’ny endriny rehetra ny Fitondrana, tsy mitsinjo ny tombontsoan'ny maro an’isa, kanefa mbola mangina ny maro. Ny fifidianana farany, feno hosoka sy tsy fahatomombanana manaporofo ny tsy rariny samihafa fa mimenomenona kely dia ekena ekena ihany. Mihamafy hatrany ny fahantrana, mihalalina ny elanelana ara-toekarena, ary mihamaro ireo Malagasy miaina anaty fahasahiranana. Tsy voafetra amin’ny tsy fahombiazan’ny fitondrana izany, fa miparitaka manerana ny firenena ny kolikoly goavana, fivarotan-tanindrazana mivantana na ankolaka,... fa vitavita ho azy. Mirangorango ny arabo, manjakazaka ny sinoa, be famaritra ny karana, ny mpitondra manao amboletra. Tsy resaka fiantsoana fankahalana vahiny fa tena hitsahina an-tampon-doha eto an-tanindrazany ny Malagasy. Moa tsy fampanofana tany tamin’ny orinasa Koreanina no isan’ny nanonganana an-dRavalomanana ? Mbola arahin’ny mpitondra vava ratsy aza fa “tsy misy maharesy basy”. Mbola niampy fa mila fongorina ny mpanohitra,… Mitohy amin’ny fanakotoanana foiben-toeran’antoko HVM, izay manitsakitsaka mivantana ny zo politika sy ny fahalalahana maneho hevitra. Manambany tanteraka ny soatoavina demokratika sy ny zo maha-olona, fa vitavita ho azy. Eo anatrehan’izany rehetra izany, politikan’ny fanabadoana no mihatra toy ilay resaka mari-pankasitrahana toy ny “Person of the Year”, nilazana fa ny Filoha Andry Rajoelina no mpitarika mendrika sy mahay indrindra aty Afrika, kanefa dia mbola maro no tsy an’asa, miaritra delestazy andro aman’alina, ary miaina anaty fahantrana tsy roa aman-tany. Mandeha ny serasera mipoapoaka, na dia miaina ao anaty fahantrana lalina aza ny 80%-n’ny Malagasy. Nahoana anefa no miraviravy tànana ny rehetra hahafahan’ ny tsy rariny sy ny fahantrana manjaka kanefa efa mazava fa mitondra mankany amin’ny fahapotehana? Inona no antony tsy hamohazana sy hametrahana fanoherana hentitra amin’izao fiainana manimba izao? Tahotra? Mandaitra ny fandemen-tsaina fa mila ekena izao ? Mahomby ilay hoe : raha tiana hifitsaka ny vahoaka dia ataovy maty noana? Tena tratry ny be manaiky !?
Toky R

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap