Nihaona tamin'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Ramatoa N'Diaye Alice, tetsy Anosy omaly, ny iraka iombonan'ny Firenena Mikambana sy ny Vondrona Afrikanina tarihin'Atoa Parfait Onanga-Anyanga, Solontena manokan'ny Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana eo anivon'ny Vondrona Afrikanina, sy Atoa Mohamed Idriss Farah, Iraka manokan'ny Vaomieran'ny Vondrona Afrikanina ho an'ny Repoblikan'i Madagasikara. Manao fitsidihana eto Madagasikara izy ireo ny 12 ka hatramin'ny 19 Jolay 2026. Ity iraka ity dia manamafy hatrany ny fahavononan'ireo fikambanana roa tonta hanohana an'i Madagasikara ao anatin'ny fizotry ny Fanavaozana mifanaraka amin'ny toromarika napetraky ny Filankevitry ny Fandriampahalemana sy ny Filaminan'ny Vondrona Afrikanina. Nankasitraka ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin'ny Firenena Mikambana sy ny Vondrona Afrikanina, indrindra amin'ny alalan'ny fampiharana ny "African Facility to Support Inclusive Transitions" ny Minisitra N'Diaye Alice. Nohamafisiny fa hanampy amin'ny fanamafisana ny andrim-panjakana, ny fanamafisana ny fanjakana tan-dalàna ary ny fanavaozana ny fitantanan-draharaham-panjakana izany fanohanana izany, sady manaja tanteraka ny fiandrianam-pirenena sy ny laharam-pahamehana napetrak'i Madagasikara. Nohamafisin-dRamatoa Minisitra ihany koa ny fahavononan'ny Governemanta hanohy ny fifampiresahana amin'ny Firenena Mikambana, ny Vondrona Afrikanina ary ny SADC, mba hanohanana ireo fanavaozana efa natomboka, hanangonana ny fanohanana ilaina ary hahatonga ny Fanavaozana ho fototra maharitra ho an'ny fandriampahalemana, ny fitoniana ary ny fampandrosoana eto Madagasikara.
Nangonin'i Jean D.
Fihaonana tao amin'ny Ministeran'ny raharaham-bahiny etsy Anosy omaly